- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMpiandry fonja M.D : Hihaona amin’ny mpanao gazety ny BC anio

Mpiandry fonja M.D : Hihaona amin’ny mpanao gazety ny BC anio

Anio maraina amin’ny folo no hihaona amin’ny mpanao gazety ny pôlisy misahana ny fanadihadiana momba ny heloka bevava. Ankoatra ny vokatra momba ny fampandriam-pahalemana dia isan’ny horesahin’izy ireo manokana ny momba ireo mpiandry fonja naiditra am-ponja. “Nisy fandrahonana ny pôlisy ary nolazaina mihitsy fa lehilahy izy ireo raha mahatafiditra ireo mpiandry fonja eny Antanimora. Niainga teny Anosy izany, taorian’ny fanapahankevitry ny fampanoavana ” raha araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny pôlisy. Nandray fepetra avy hatrany ireo farany tamin’ny alàlan’ny fandefasana ireo pôlisy avy amin’ny hery vonjitaitra, ny Service Anti-Gang. Efa nivonona ihany koa rehefa avy nampandrenesina ny avy ao amin’ny Force Mobile d’Intervention Policière etsy Antanimora. Notaterinay an-gazety avokoa izany rehetra izany afak’omaly. Omaly anefa dia nolazain’ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny fandraharahana ny fonja fa diso avokoa izay nosoratana. Andrasana ny fanazavan’ny pôlisy anio ary andrasana ihany koa ny fanazavan’ny mpiandry fonja izay nanambara fa diso tanteraka ny lahatsoratra…

Didi R.

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser