- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMpiasam-panjakana avy aty amin’ny faritra : Lasa an-jorom-bala tanteraka ka mampiaka-peo

Mpiasam-panjakana avy aty amin’ny faritra : Lasa an-jorom-bala tanteraka ka mampiaka-peo

Efa nanao antso avo ny fikambanana Adopt, ny teo momba ny fanaovana an-jorom-bala ny zanaky Toamasina, indrindra ireo mpiasam-panjakana sy ireo « avarapianarana ». Nanao toy izany koa ireo fikambanana avy ao Fenerivo atsinanana, tamin’ny fametrahana ny governemanta farany teo, noho izy ireo nampiseho fitia tamin’ny filoha ka miandry ny valim-pitia avy taminy nefa lasa rano an-damosin’ny gana ny zava-nisy. Noho izany, dia manomboka mampiaka-peo sy mivoaka amin’ny fahanginany ireo mpiasam-panjakana sy ireo « avarapianarana » eto Toamasina ireo. Ireo eo anivon’ny sampandraharahan’ny fananan-tany, ny fadintseranana, ny sampandraharahan’ny hetra, …ary ny sampandraharahan’ ny tetibolam-panjakana no tena efa re mitroatra amin’izao. Mahita izy ireo, fa tena an-jorom-bala foana tato ho ato izay, nefa misy ihany ireo nianatra tamin’ireo sekoly ambony mpanofana ny mpiasam-panjakana taorian’ny fifaninanana natao. Eo ireo efa manana traikefa manokana amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Ohatra velona fanaovana an-jorom-bala ny zanaky ny faritanin’i Toamasina ny zava-nisy nandritra ny filan-kevitry ny minisitra ny 14 aogositra 2019 farany teo, izay ny zanaky ny faritra sy ny faritany avokoa no notendren’ny filan-kevitry ny minisitra hiasa sy hampadroso ny faritra sy ny faritany niaviany avy, afa-tsy ny zanaky Toamasina ihany. Ny fampandrosoana isam-paritra anefa dia miainga amin’ny fanandraisan’andraikitry ny zanaky ny faritra sy ny faritany niaviany avy. Amin’izao anefa ilay sehatra ahafahana mandray fanapahan-kevitra ara-panjakana mihitsy no esorina amin’ny zanaky Toamasina avokoa. Efa mikasa ny hampihatra ny fijitsaram-paritra tena izy raha teo ny fanjakana malagasy, ho avy koa ny fametrahana ny governora ka takian’izy ireo ny fametrahana ny zanaky Toamasina hisahana izany andraikitra izany, raha tonga ny fametrahana izany. Eo koa ny mpiasam-panjakana eo anivon’ny sampandraharahan’ny hetra ; izay mitaky ny fametrahana ny lehiben’ny foibem-pitantanana ankapobeny ny hetra , sy ny rantsa-mangaikany amin’izao, ho zanaky ny faritra no hapetraka amin’izany.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici