Mafy loatra marina ity te hanan-karena amin’ny moramora ity. Tsy misoratra eny an-tampom-kandrina marina ny ratsy. Vehivavy iray mananiky ny 55 taona, mpiasa ao amin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena no voasambotry ny pôlisy avy amin’ny sampana miady amin’ny heloka bevava, ny alakamisy lasa teo, teny Ampefiloha. Araka ny vaovao dia nisoloky ho mahatafiditra mpiasa ao amin’ity ministera ity ny tenany ka mitaky vola efatra tapitrisa ariary isan’olona. Tanora mianadahy no tratra tamin’izany, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy hatrany. Vola mitentina eo amin’ny telo tapitrisa ariary mahery teo no efa azony tamin’ireto mpianadahy ireto, kanefa mbola tsy nisy akory izay mangirana mikasika ireo antontan-taratasy nampidirina. Etsy andanin’izay anefa dia mbola mitaky vola amboniny ihany ity vehivavy ity. Taty aoriana dia nojerana teny ifotony mihitsy ny laharan’ireo antontan-taratasy voalaza fa hokarakaraina, kanefa dia zavatra tsy mitombina akory. Nanapa-kevitra ny hametraka fitairanana ary ireto olona voasoloky, ka tamin’izany no nahatratrarana an’ity ramatoa ity. Niaiky izany fisolokiana avo lenta nataony izany izy, taorian’ny fanadihadian’ireo mpitandro filaminana, raha ny vaovao hatrany. Marihina fa tsy izy irery no ao ambadik’ity fisolokiana ity, raha ny filazan’ny fampitam-baovao, fa mbola misy namany hafa, izay mbola karohina. Omaly no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ity ramatoa mpiasan’ny ministera mpisoloky ity.
m.L