Lehilahy iray nilaza ho mpiasan’ny fitsaràna tetsy Anosy no voasambotry ny pôlisy avy ao amin’ny Fitaleavam-paritra Bongolava ny herinandro lasa teo, noho ny resaka fisolokiana. Vola an-tapitrisany maro no very tamin’izay fotoana izay.
Ny aza mba voany ihany ! Fianakaviana niharan’ny fandrahonana avy amin’olona no tonga teto an-drenivohitra, hitaraina sy hitady vahaolana teny amin’ny Fitsaràna teny Anosy. Sendra an’izay olona tsy valahara anefa ireto fianakaviana ireto, izay nilaza fa olona miasa amin’io toerana io ary afaka mamaha ny olan’izy ireo. Raha hiverenana kely mantsy ny zava-nisy : tany amin’ny tapatapaky ny volana martsa tany ho any dia nisy fanafihana niharo vono olona nitranga tao Marovitsika, kaominina Ambatomainty, distrikan’i Fenoarivobe. Olona iray, hoy ny fampitam-baovao, no namoy ny ainy tao anatin’izany ary maromaro ihany ireo naratra mafy. Rehefa nisy ny fanadihadiana sy fikarohana nataon’ny teo anivon’ny pôlisy tany an-toerana dia fantatra fa nisy olona efatra voasambotra ary voarohirohy tao anatin’izany. Rehefa nandeha anefa ny fitsaràna dia ny roa tamin’ireto voasambotra ireto ihany no naiditra am-ponja fa nomena fahafahana vonjimaika kosa ireo roa hafa. Ireto farany indray, nony avy eo, no tonga nandrahona ireto fianakaviana niharam-boina. Ary izay toe-javatra izay no nitadiavan’izy ireo vahaolana.
Rehefa niresaka tamin’ity lehilahy tetsy Anosy ity, araka izany, ireto fianakaviana dia nilaza ity farany fa afaka mamaha ilay olana, saingy mila vola eo amin’ny 10 tapitrisa ariary eo ho eo. Rehefa nandeha ny fifampiraharahana dia naloa tokoa io vola io. Saingy nony taty aoriana, tsy hita akory izay tena vokany. Ankoatra izay, hoy ny vaovao, dia narirarin’ity lehilahy ity foana ilay resaka ary tsy hita tany nanjavonana intsony izy taorian’izay. Ny alakamisy teo, araka izany, dia hitan’ireo fianakaviana tao an-drenivohitr’i Bongolava tao ny lehilahy ary avy hatrany dia niantsoana pôlisy. Nosamborina teo no ho eo ihany ity farany ary nentina natao fanadihadiana. Natao andrimaso avy hatrany tany amin’ny birao moa ingahirainy. Taorian’ny fanolorana azy teny anivon’ny Fampanoavana, no nanapahan’ireo mpitsara mpanao famotorana ny hampiditra am-ponja azy vonjimaika. Mila mailo tokoa amin’ny toe-javatra toy itony. Tsy mba kely lalana izany mantsy ny ratsy, hoy ny fitenenana.
m.L