- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMpiasan’ny sambo « Flying » : Nogiazana am-ponja vonjimaika izy 15 omaly...

Mpiasan’ny sambo « Flying » : Nogiazana am-ponja vonjimaika izy 15 omaly antoandro

Raha ny angom-baovao, izay tena sarotra ny fahazoana azy noho ity raharaha sambo « Flying » ity misy resaka « politika » sy « diplomasia » ary tsy tratra ambodiomby teo am-pangalarana ny harem-pirenena izy ireo fa mbola nikasa ny hanao izany, dia fantatra izao araka ny vaovao marim-pototra voaray fa miandry fitsarana am-ponja izy 15 lahy ny alarobia antoandro, taorian’ny fanadihadiana lavabe natao tamin’izy ireo, araka ny baiko nidina teo anivon’ny ministeran’ny fitsarana sy ny primatiora ary prezidansa. Saika sinoa sy thailandais ary avy amin’ny faritra aziatika avokoa izy ireo izao namoahan’ny fitsarana teto Toamasina famonjana vonjimaika izao. Raha hiverenana ny tantara dia efa imbetsaka no nifanenjehan’ny mpiandry sisin-tany malagasy amin’ny fangalarana harem-pirenena ity sambo « Flying » ity nanomboka ny taona 2017, saingy tsy mety tratra izy ireo hatramin’izay, nefa ny faramparan’ny taona 2018 teo dia sarona tao akaikin’i Masoala tao izy ireo teo am-piandrasana andramena malagasy izay tena fanaony raha ny angom-baovao. Efa nanao fitsidihana ny sambo ny praiminisitra Ntsay Christian nandritra ny fandalovany teto Toamasina ary efa nilaza fa tsy maintsy handray fepetra ny fanjakana. Tsy handefitra amin’ny trangan-javatra toy izao ny fanjakana Malagasy, dia izao niakatra fitsarana omaly alarobia maraina ary nandraisana didy savaranonando miandry fitsarana am-ponja ireo 15 lahy tratra tao anatiny izao. Mbola ireto tantsambo ihany aloha hatreto no voasazy, fa ireo teratany malagasy mpiray tendro amin’izy ireo mpanondrana an-tsokosoko ny andramena mbola tsy hita sy tsy mbola nohadihadiana tamin’izao raharaha izao. Ho hita eo ny tohiny satria tena ilain’ny Malagasy ny mahalala ireo mpibizina malagasy mpanao izao trafikan’andremana eny afovoan-dranomasina izao, izay tena nahoraka be fa nikasa hanararaotra ny androm-pifidianana teto amintsika ireo mpanao izany tamin’izao nahatrarana ny sambo « Flying » izao. Efa andiany faharoa ny fahatongavan’izy ireo teto izao tratra izao raha ny angom-baovao natao hatrany.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici