- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversMpiasan’ny Viva voatsindrona antsy : Voasambotra tetsy Ambodivona i Lavakely

Mpiasan’ny Viva voatsindrona antsy : Voasambotra tetsy Ambodivona i Lavakely

Ny zoma lasa teo no tra-tehaky ny pôlisy tetsy anoloan’ny toeram-pitsaboana iray ny olon-dratsy, mpanindrona antsy olona, fantatra amin’ny anarana hoe : « Lavakely ». Ity farany sy ny namany, araka ny tatitra azo avy tamin’ny pôlisim-pirenena no isan’ireo nanendaka sy nandratra ilay tovolahy mpiasa avy amin’ny fahitalavitra sy onjam-peo tsy miankina iray tao Ambodivona. Taorian’io tranga io tokoa mantsy, dia nandray ny andraikiny avy hatrany ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo, izay misahana iny faritra iny tamin’ny fanadihadiana rehetra. « Taorian’ny fanangonana ireo loharanam-baovao rehetra sy ny fakàna am-bavany ireo izay nanatri-maso no nahafantarana, fa i « Lavakely » sy ny namany no tompon’antoka tamin’izany » hoy ny vaovao hatrany. Nanomboka teo ny fijokoana sy ny famandrihana ity olon-dratsy ity, teny amin’iny faritra iny. « Natao ny fanadihadiana, ary naharitra herinandro maromaro izany,  nisy aza ny fotoana efa saika nahatrarana ireto mpanendaka mpanindrona antsy ireto, saingy tafaporitsaka izy ireo tamin’izany. Tamin’ity indray mitoraka ity kosa, dia polisy iray nanao fanamiana sivily mihitsy no nalefa nanjona ireto mpanendaka ireto mba hendahiny, ny zoma maraina vao mangiran-dratsy tetsy Ambodivona » hoy ny fampitam-baovao. Saika hanao ny asa ratsiny mihitsy ity farany no noraisim-potsiny avy hatrany. Izy moa no voapaingotra, saingy ireo namany roa lahy kosa tafaporitsaka. Rehefa nampifanatrehana tamin’ilay mpiasa niharam-boina, izay marihana fa tsy namoy ny ainy akory, na dia teo aza ny tsindrona antsy telo nahazo azy, ity « Lavakely » ity dia nilaza mazava izy, fa io mihitsy ilay tompon’antoka tamin’izay fotoana izay.

Natolotra avy hatrany ny teny anivon’ny Fampanoavana moa ity mpanendaka rain-dahiny ity ary nadoboka avy hatrany tany Antanimora, miandry ny fotoam-pitsarana azy. Etsy andanin’izay kosa anefa dia mbola manohy ny fikarohana ireo namany tafatsoaka ireo pôlisy. « Efa mitohy ihany koa ny fikarohana azy ireo ary inoana fa hahitam-bokany tsy ho ela izany. Manoloana ny tranga toy ireny dia manentana antsika rehetra hatrany mba ho tony ary tsy hanitatra azy ireny ho amin’ny resaka hafa ka hoentina hampisavorovoro ny saim-bahoaka » hoy hatrany ny tatitra azo avy tamin’ny pôlisy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici