- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversMpifankatia hita faty : Mizotra any amin’ny taxi ny ahiahy

Mpifankatia hita faty : Mizotra any amin’ny taxi ny ahiahy

Mbola miteraka resa-be hatrany satria nahatohina ny fiaraha-monina teto an-drenivohitra ilay heloka bevava izay mahakasika ny famonoana mpifankatia tetsy Tanjombato ny 3 aogositra lasa teo. Hatreto dia tsy mbola fantatra mazava izay tompon’antoka tamin’ny vonoan’olona. Na izany aza anefa dia misy ny fampitandremana izay novoizina tamin’ny tambajotra sosialy ny amin’ny tsy tokony handehanana amin’ny alina, indrindra fa taxi misy olona roa ao anatiny, izany hoe ny mpamily sy olona iray izay manampy azy. Ny teo anivon’ny sampana misahana ny heloka bevava dia nilaza fa ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka ankehitriny ary tsy misy ambaniana izay resaka rehetra mandeha momba ity raharaha ity, isan’izany ity momba ny fiarakaretsaka ity. Izy roa kely dia heverina ho niaraka ny alin’ny alakamisy ary io niara-novonoina io dia natsipy tetsy Tanjombato ny vatana mangasiakany. Ilay tovolahy dia efa niera tamin’ny tao an-tranony fa tsy hody satria hiaraka amin’ny olon-tiany. Ny ampitso, rehefa nandeha tamin’ny tambajotra sosialy ny vaovao, no nanomboka taitra ny tao an-trano. Koa satria nanjavozavo ny sary hita tamin’ny aterineto dia nanapa-kevitra avy hatrany ny fianakaviany ny nanatona ny polisy misahana ny heloka bevava sy ny polisy mifehy ny boriborintany misy an’i Tanjombato. Teo dia mbola tsy fantara mihitsy hoe ireo mpifankatia no nisy namono satria nanano sarotra ny famaritana ny olona sy ny fanazavana teo amin’ny roa tonta. Rehefa nandeha teny amin’ny tranom-paty nanamarina vao tena nitombina tokoa ny ahiany. Ary dia izany no niainan’ny fianakavian’ny maty tamin’iny andro iny. Naterina tany amin’ny fasan-drazany any Morondava ny nofo mangatsiakan’ilay tovolahy ary nilaza ny fianakaviany fa hiditra hanara-maso ny fanadihadiana amin’izay, satria mafy loatra tamin’izy ireo ny zava-nitranga. Zanaky ny kolonely iray ilay tovolahy raha araka ny fanamarihana azo. Nampihorohoro loatra ny maro ity raharaha ity ary heverina fa mba hisy vokany ny fanadihadiana mandeha, satria mety hihatra amin’ny tsirairay ny heloka bevava toy izao raha tsy voafehy haingana ny tompon’antoka.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici