Raikitra ny sakoroka omaly tamin’ireto fianakaviana roa tonta, teny amin’ity toeram-pitsaboana iray teto an-drenivohitra. Nipoitra ho azy teo mantsy ny nafenina rehefa fantatra fa mifankatia miafina ireto olon-droa tratry ny lozam-pifamoivoizana ary samy tonga teny amin’ny hôpitaly ihany koa ny tompom-bady sy ny fianakaviana.
Hiaraha-mahalala fa maro ireo olona nivoaka kely ny renivohitra omaly, niala voly kely nitsangatsangana. Anisan’izany ireo olona telo ireto, vehivavy iray niaraka tamin’ny namany. Tsy lasa lavitra anefa izy ireo dia nitranga ny loza. Araka ny angom-baovao azo dia niharan-doza ny fiara nitondra azy ireo raha nikasa ny hihazo lalana hivoaka kely ny renivohitra. Tsy fantatra izay zava-nitranga hoy ny vaovao fa nivoaka ny lalana ny fiara nitondra azy ireo ary nivadika tany an-tanimbary, tokony ho tamin’ny folo ora maraina tany ho any. Tsy nisy aina nafoy anefa tamin’izany saingy samy naratra mafy kosa izy ireo, indrindra fa ilay vehivavy sy lehilahy iray. Samy nentina nihazo hôpitaly iray teto an-drenivohitra moa izy ireo na dia izany aza.
Mazava ho azy, fomba fanao any amin’ireo toeram-pitsaboana rehefa misy loza tampoka toa izao ny manadihadihady sy miantso ny fianakaviana akaikin’ilay marary. Voalaza tamin’izany fa mpisakaiza ireo naratra mafy ireo. Samy nantsoina araka izany ny fianakaviany tsirairay. Zavatra hafa anefa no nitranga fa rangahy iray milaza ho vadin’ilay vehivavy no tonga. Nisy nilaza ihany koa fa toa hoe manambady ity lehilahy saingy tsy azo antso moa ity farany. Teo vao samy nifampanotany ny rehetra ary niafara tamin’ny fifamaliana sy sakoroka mihitsy izany. Raha ny vaovao farany azonay dia hoe nentin’ny havany nivoaka ny hôpitaly ilay rangahy naratra nisakaiza tamina vadin’olona ary nentina nihazo toeram-pitsaboana hafa.
Nangonin’i m.L