- Publicité -
mardi, novembre 4, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Mpifankatia niara maty teo ambony biriky dorana

Antsirabe : Mpifankatia niara maty teo ambony biriky dorana

Teto no namoizan’izy roa kely ny ainy

Ny marainan’ny Alatsinainy vao mangiran-dratsy no nahitana ny razana roa nivalampatra tao ambony biriky vao dorana tao Sahatsiho Antsirabe. Olona handeha haka tohatra teo amin’io biriky nodorana io no nahita ny razana voalohany ka nampandre ny manodidina teny an-toerana.

Toerana malaza eto Antsirbe amin’ny fanaovana biriky moa ity eo Sahatsiho ity ary efa tena mihiitra ny fanamboarana biriky eo toy ireny orinasa ireny mihitsy. Voafaritra ao anatin’ny fokontany Tsarafiraisana kaominina Ambano moa ity toerana ity.

Fantatra fa mpifankatia izy roa kely namoy ny ainy ireto, ilay vehivavy no fantatra fa avy eny Ankerambe kaominina Ambano fa ilay tovolahy no mbola tsy fantatra ny fiaviany. Ity farany izay tsy nisy fitafy intsony ny tapany ambany.

Voalaza fa maty noho  ny fahasemporana sy hafanana diso tafaoatra izy roa kely ireto. Teo ambony biriky vao dorana mihitsy mantsy no nahitana ny razana nifanakaiky. Araky ny fantatra dia mamoaka entona mahafaty mihitsy ny biriky rehefa dorana miampy ireo akora nanamboara sy handoana azy tsy azo atao ny mandry amin’izy ireny.

Manodidina ny 30 taona eo ho eo  ny salan-taonan’izy roa namoy ny ainy ireto, mpitaona biriky no asany fa tsy mpamboatra biriky akory.  Tonga teny an-toerana ny tompon’andraikitra nanao ny fizahana sy naka ny razana.

Andry N

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici