Bala tena izy natokana ho an’ny kalach ary ve no noheverin’izy ireo fa halefa amin’ireo basy poleta kilalao ? Sa dia inona loatra no tanjona … Nandritra ny fisafoana ireo elakelan-trano nataon’ireo pôlisy tsy manao fanamiana eny amin’iny faritra Saropody iny tokoa mantsy no nahasamborana lehilahy hafahafa fihetsika miisa telo : 53, 43 ary 28 taona, raha iny mbola teo am-pangalàna fahafinaretana, teo am-pisintomana « sigara be » iny, ny herinandro teo. Mazava ho azy, tsy nahafantatra velively ireto farany fa efa pôlisin’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa ireto manatona azy ireo ka dia noraisim-potsiny. Tsy vitan’ny hoe sarona am-bodiomby izy telolahy ireto fa mbola nahitàna fitaovam-piadiana tany amin’izy ireo : kilalao ny iray, tena izy ny iray ary zava-maranitra ny hafa. Voalaza fa nikasa ny handeha hanao asa ratsy ry zalahy ireto, talohan’ity nahatratraran’ny pôlisy azy ireo ity. Fa ankoatr’azy telolahy mpifoka rongony, voasambotra niaraka tamin’ny basy kilalao ireto dia mbola nisy hafa ihany koa tra-tehaky ny pôlisin’ny Stup (miady amin’ny zava-mahadomelina) teny Ampitatafika. Roa lahy izy ireo, izay voalaza indray, araka ny fampitam-baovao azo fa mpanamparitaka sy mpivarotra ilay karazana rongony mahery vaika antsoina hoe « Skunk ». Nisy avy hatrany ny fidinana ifotony nataon’ireo mpitandro filaminana ary napetraka ny vela-pandrika, hipaingorana azy ireo. « Vokany, tra-tehaky teo am-pikirakirana zava -mahadomelina izy ireo. Nandritra ny fisavana natao dia mbola nahitana rongony amin’ny karazana « Skunk » milanja 304 grama » hoy ny vaovao. Samy notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy avokoa moa izy dimy lahy voasambotra ireto ary efa natolotra ny Fampanoavana. Niara-nadoboka am-ponja vonjimaika avokoa moa taorian’izay, araka ny vaovao azo. Ny an’azy dimy lahy ireto araka izany no tapitra hatreo aloha saingy ny asan’ny mpitandro filaminana miady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina mitohy hatrany, araka ny fampahafantarana nataon’izy ireo
m.L