- Publicité -
samedi, juillet 26, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMpifoka rongony telolahy tratra

Mpifoka rongony telolahy tratra

Tovolahy vao erotrerony telo indray tratran’ny polisy, omaly antoandro tokony ho tamin’ny 11 ora, teny Isoraka. Nandritra ny fisafoana mahazatra fanaon’ny polisy, no nandalovan’izy ireo tao amin’ny faritry ny fasan-dRainiharo. Niditra ny toerana nisy ny fasana ny polisy rehefa  nahatazana olona maromaro midonana-poana, efa mahazatra ihany ny fahitana olona toy izany amin’ity toerana ity. Na dia efa niezaka nadroaka azy ireo hiala teo an-toerana aza ireto mpitandro filaminana dia tsy nety niala teo ry zalahy. Nisy telolahy tamin’izy ireo tsikaritra ho nampiahiahy. Voatery nisava azy ireo ny Polisy, ka tamin’izay no nahitana rongony tamin’ny fonosana vitsivitsy tany amin’izy ireo. Nentina avy hatrany tany  amin’ny biraon’ny polisy   etsy Tsaralalàna izy ireo.

Nandritra ny famotorana natao azy ireo dia niaiky ny heloka nataony izy saingy tsy nety nilaza izay niavian’ireto rongony ireto. Nolazainy tamin’izany fa olona nandalo no nividianany azy. Voalaza nandritra izany ihany koa  fa isan’ireo mpanendaka sy mpangarom-paosy eny amin’iny faritra iny izy ireo. Marihina fa samy nilaza ho tsy an’asa avokoa ry zalahy ireto, nefa  samy mamelona vady aman-janaka.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser