- Publicité -
samedi, décembre 27, 2025
AccueilFaits-DiversDren Betsiboka : Mpiofana ho mpampianatra navoaka tamin’ny fomba ofisialy

Dren Betsiboka : Mpiofana ho mpampianatra navoaka tamin’ny fomba ofisialy

Ny talata teo, no namoahana tamin’ny fomba Ofisialy ireo mpiofana ho mpampianatra niisa 137 tao amin’ny  » CRFRP na Centre Régional de Formation et de Recherche Pédagogique Maevatanàna  » izay misalotra ny anarana hoe:  » Vonona andiany fahefatra.  » Nisy hatrany ny fanomezana maripakasitrahana ho mariky ny fahavitana ny fiofanana, hoan’ireo mpampianatra ambaratonga voalohany. Tao amin’ny efitrano malalakin’ny Kats-em no nanatanterahana izany. Nanokatra izany tamin’ny fomba Ofisialy ny Solombavambahoakan’i Madagasikara, izay lany voafidy tany amin’ny disitrikan’i Kandreho ,izay notronon’ireo tompon’andraikitra maro isan-tsokajiny eto amin’ny renivohitry ny faritra Betsiboka, lehiben’ny ivon-toeram-piofanana Rezionaly sy fikarohana ara-pedagojia, solotenan’ny INFP. Nisolotena ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena ny Tale misahana ny fampianarana tsy maintsy lalovana (DEO).

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici