- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna an-tampon-tanàna : Mpirahalahy niady, maty tsy tra-drano voatsatoka antsy ny iray

Maevatanàna an-tampon-tanàna : Mpirahalahy niady, maty tsy tra-drano voatsatoka antsy ny iray

Mbola manaraka fitsaboana ilay rahalahy nahavanon-doza.

Misavoritaka ny mponina iray tanàna, amin’ny fahitana fatin’olona etsy sy eroa, satria nahitana mpirahalahy iray tampo voatsatok’antsy indray mantsy tao amin’ny tanàna atao hoe: Mandanikapa, fokontan’Ambatofotsy, kaominina Maevatanàna ambonivohitra ny alin’ny alakamisy lasa teo iny. Raha ny fidinana ifotony natao hatrany dia tokony tamin’ny valo ora alina no nifanehitra tampoka tao anatin’ny toeram-pisotroana toaka ny mpirahalahy iray tampo sy ireo lehilahy efa-dahy, ka taitra ireto farany, rehefa nahita azy roa lahy no raikitra ny fiantsoana ady totohondry teo amin’izy ireo. Tafatsoaka ihany ny lehilahy iray izay naratra voatsatok’antsy teo akaikin’ny fony no sady namonjy hôpitaly nalaky, ka teo no nilaza ity farany fa vonjeo ny rahalahiko, fa naratra any Mandanikapa. Tonga nalaky teny an-toerana nisehoan’ny loza moa ny polisim-pirenana eto Maevatanàna, saingy ny faty efa nitsirara tamin’ny tany voatsatok’antsy teo amin’ny tendany sy niampy an’ilay navanona loza no hitan’izy ireo teo. Efa eny amin’ny hopitalibe Morafenokely kosa izy roa ireo, saingy mbola ao amin’ny  » Morgue, » ny iray, raha mbola manaraka fitsaboana kosa ny rahalahiny maty sy navanona loza no efa tsara fiambenana ataon’ny mpitandro ny filaminana. Raha nambarany ny naratra taminay hatrany dia valifaty amin’ny resaka vehivavy tamin’ny taona 2018 no anton’izao famonoana an’izy miarahalahy izao. Mitohy kosa ny fikarohana sy hazalambo ataon’ny polisy an’ireo telolahy navanona ny loza hatreto.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. Tsy mazava ny resakao ry mpanoratra, ilay rahalahy no lazaina ho nahavanon-doza. Izy anefa tafatsoaka ka niantso vonjy ho an’ilay rahalahiny. Ireo efatra tao @ bar koa voalaza fa nihantsy ady? Ilay voalaza ho nahavanon-doza koa anefa lazaina fa mbola tavela tany. Inona no marina?

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici