Mafimafy indray ny fifandonana tamin’ireo andian’olon-dratsy sy ny zandary ny herinandro teo, tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny. Raha ny marimarina kokoa dia tao amin’ny kaomnina Beronono no nisian’izay fifanandrinana izay, raha olona iray, mpiray tendro amin’ireo olon-dratsy no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambatomanoina ary nanaiky ny hanoro ireo namany tany am-piafanenana. Sendra ny kendry tohana anefa ireo mpitandro filaminana, satria efa niandry azy ireo teo amin’ny kizon’Ambalabako ny dahalo mahatratra hatrany amin’ny 15 lahy mirongo fiadiana. Raikitra ny fifampitifirana. Ny zava-nisy. Talohan’io fotoana io, dia nahasambotra lehilahy iray ny zandary. Mpiara-miasa akaiky amin’ny jiolahy maromaro ity farany, hoy ny fampitam-baovao. Ity olona voasambotra ity no mpanome vaovao ireo mpanafika : mpamatsy ara-tsakafo sy mpaka « renseignements » mahakasika ireo olona tokony ho tafihana manaraka, tao amn’ny fokontany iray, antsoina hoe Antanetibe, tao amin’io kaominina Beronono io. Ambony lavitra noho ny azy anefa ny angom-baovao azon’ny zandary ka nahafahana nisambotra azy. Nandritry ny famotorana azy no nanekeny ny hanoro ireo namany, dahalo miaraka aminy ary niroso ho amin’ny toerana misy azy ireo ity olona ity sy ny zandary miisa fito. Teny an-dalana anefa no io efa nandrasan’ireo namany io ireto mpitandro filaminana, ka raikitra ny fifandonana sy ny fifampitifirana. Tao anatin’izay zava-niseho izay anefa no nanararaotra ny hitsoaka ny lehilahy, hamonjy ireo namany, kanjo niantefan’ny balan’ireo zandary soa aman-tsara. « Ny basin’ny zandary no nanakana azy ary dia maty teo » hoy hatrany ny vaovao. Nanao tsoa-pe nandositra avy hatrany moa ireo andian-dahalo rehefa nahita fa tsy ho resy tosika velively ireo mpitandro filaminana, namela ilay maty teo, saika ho avotana teo. Mbola nahitàna basimborona sy bala maromaro ary fanafody gasy isan-karazany moa teo amin’ny toerana nisian’ny fifanandrinana. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo dahalo sy ny fampandrian-tany any an-toerana.
m.L