Nahoraka tao amin’ny kaominina Antongona, distrikan’Antananarivo Atsimondrano ny fisian’ity loza ity. Nandeha ny feo fa fa nisy olona efatra maty an-drano tao amin’ny tanimbary Ampanasana, fokontany Ambohimidasy ao amin’ity kaominina ity, ny alahady tokony hotamin’ny 02 ora sy 45 minitra ary efa any amin’ny CSB II Ankadimanga ireo olona efatra niharamboina ka zazavavikeky mpiray tampo ny roa, ary olon-dehibe ny roa lahy. Raha nandre izany ny zandary dia nidina teny an-toerana mba hizaha ny zava-misy, omaly alatsinainy. Teo no nahalalana fa mpisaka fozaorana ireo maty ireo. Araka ny fitantarana dia olona dimy mianaka izy ireo no teny afovoan’ny tanimbary Izay mbola difotry ny rano tamin’ny fahavaratra. Mpirahavavy no sendra lavaka fanaovana biriky tampoka ka nilentika. Roa lahy lehibe mpiara-maka foza taminy koa anefa no niezaka nanavotra azy roa kely kanefa niara-rendrika ihany koa, ary maty taorian’ny nitondrana azy tany toeram-pitsaboana. Renim-pianakavia izay mpanangona ny haza azo no nihorakoraka niantso vonjy ka nahatonga ireo mponina manodidina nanavotra sy nitondra ireo niharam-boina tany amin’ny CSB II Ankadimanga. Raha ny vaovao voaray ihany dia samy tsy mahay milomano ireo olona ireo. Ny fizahana ny toerana nitrangan’ny loza no nahafantarana fa lalina mirefy eo ho eo amin’ny telo metatra ny halalan’ilay lava-biriky. Natolotra ny fianakaviany ireo vatana mangatsiaka taorian’ny fizahan’ny mpitsabo Izay nanamarika fa maty noho ny fahasemporana ireo olona ireo. Marihana fa fianakaviana iray ihany ireo maty ireo ary samy avy ao amin’ny kaominina Antongona avokoa.
T.M.