- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversMpisandoka ho mpanao gazety : Sahy manatona olona ambony dia mangataka fandehanana...

Mpisandoka ho mpanao gazety : Sahy manatona olona ambony dia mangataka fandehanana any andafy

Mivoatra hatrany ny asaratsin’ireo mpisandoka ho mpanao gazety izay misoloky etsy sy eroa. Ankoatra ny halatra izay mateti-pitranga eny anivon’ny toerana hamoriana mpanao gazety (conference de presse) dia mbola misy koa ny misandoka amin’ny anaran’olona hafa izay mpanao gazety tena izy ary manao asa fisolokiana. Zary mateti-pitranga izany ankehitriny ary manimba tanteraka ilay asa masina. Tsy vitan’izany fa ankehitriny koa dia efa misy sahy mamitaka tompon’andraikitra ambony ary mangataka ny mba hanaraka azy ireo rehefa misy fivoahana any ivelany. Dia mbola misandoka anarana ihany koa. Raha tsy misy izany ny fanamarinana ataon’ny tompon’andraikitra dia roboka ao anatin’ny fandrika. Manakorontana ny asa fanaovan-gazety ny fisian’ireo mpisandoka ireto. Ny tena olana dia misy amin’izy ireo ny manana karatra maha-matihanina kanefa tsy manao io asa io akory ary tsy manana tranon-gazety iasàna akory aza. Betsaka izay finday sy solosaina very tao anaty atrikasa izay. Mitaraina ny mpanomana hetsika  ary indraindray dia azo sary mihitsy ireo olon-dratsy, saingy fetsy izy ireo ary miovaova toerana haleha sy mifidifidy ny toerana izay tsy dia misy fanamarinana firy. Soa fa efa ho tapitra amin’ity taona ity ny karatra maha-matihanina, izay iaraha-mahalala fa betsaka ny lesoka tamin’izany fotoana noho ny mbola tsy nisian’ny holafitry ny mpanao gazety. Ankehitriny dia efa mandeha ny fanentanana amin’ny fanisàna, araka ny nohazavain’ny filohan’ny holafitra tamin’ny televiziona iray. Tsy misy afa-tsy ny famoahana io karatra io ary amin’ny fomba tsy mitanila sy madio tsara no entina hanadiovana ny asa fanaovan-gazety ary ny fahaleovan-tenan’ny holafitra, izay irariana tsy hotsabahan’ny fanjakana (ankoatra ny fanampiana ara-teknika) no tena hahatratrarana izany tanjona izany. Etsy andanin’izany, mahakasika ny fisolokiana etsy sy eroa, dia tsara ho fantatra fa efa misy “plainte de reserve” mipetraka, nataon’ny holafitra hatrany, eny anivon’ny “brigade criminelle” ary mbola manan-kery izany. Hahafahana avy hatrany misambotra sy manokatra fanadihadiana ho an’izay voamarina fa misandoka ho mpanao gazety ny fisian’izany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici