
Fantatra amin’ny anarana hoe Tsiory sy Fyh, na Randrianantenaina Tsiory sy Rakotoarison Fitiavana. Izy ireo dia namoahan’ny zandary avy etsy amin’ny tobim-paritra Itaosy, taratasy fikarohana, rehefa voarohirohy tamin’ny resaka halatra volabe. Araka ity taratasy nosoniavin’ny Lehiben’ny tobim-paritry ny zandary eny an-toerana ity, ny andron’ny alahady teo dia vola mitentina 60 tapitrisa ariary no nentin’izy ireo nitsoaka rehefa avy nangalarin’izy ireo tao amin’ny mpampiasa azy teny amin’iny faritra iny. Voarakitry ny taratasy hatrany moa fa efa nomanina tanteraka (prémédité) ity halatra ity sy izao fitsoahan’izy ireo izao, antony namoahana izany taratasy fampikarohana azy ireo izany. Marihina fa samy teraka manodidina ny taona 2000 teo avokoa izy ireo, 24 taona sy 23 taona ary samy monina tao amin’ny fokontany Atsinanan’ny Hôpitaly, Miarinarivo Itasy, saingy mazava ho azy fa efa tsy tao amin’io fonenany io intsony ireto olon-droa nangala-bola ireto. Manentana izay mety mahanfatatra na mahalala vaovao ahafahana misambotra azy ireo araka ny zandary mba hampilaza avy hatrany. Marihina fa raisina ho tsiambaratelo izany. Ny zandary na manampahefana mahita kosa, iangaviana mba hisambotara avy hatrany ary hampilaza ny tobim-paritra Itaosy.
Nangonin’i m.L