- Publicité -
vendredi, juin 6, 2025
AccueilFaits-DiversMpisoloky amin’ny « mercure » : An-tapitrisany no efa lasa, voalazany fa...

Mpisoloky amin’ny « mercure » : An-tapitrisany no efa lasa, voalazany fa hanaovana sorona

Tsy vitsy mba tsy hilazana hoe efa tena marobe ireo olona roboka amin’ity  « mercure » ity noho ny fitiavana te hanan-karena tampoka. Nisy ihany anefa ireo tonga saina izay nahatsapa fa voambaka sy voasoloky izy ka nitondra ny raharaha teny anivon’ny pôlisy.

Vehivavy iray no voasambotry ny pôlisy misahana ny heloka bevava, noho ny resaka fisolokiana amina « mercure », ny faran’ny herinandro teo, tetsy Ampefiloha. Vola  maherin’ny 250 tapitrisa ariary eo no efa azon’ity farany  tamin’ity afera maloto ity raha ny fampitam-baovao azo amin’ny pôlisim-pirenena. « Fitoriana  telo sy fijoroana vavolombelona maro no voarain’ny polisim-pirenena mahakasika vehivavy iray milaza ho manana sy mivarotra merikiora ka maka volabe amin’olona. Fantatra, fa  hatramin’ny taona 2017 izy no efa naka vola tsikelikely tamin’ireo mpividy noreseny lahatra », hoy ny fampitam-baovao azo. Araka ny fantatra dia nambarany fa hoe vola « hanaovana sorona » maro isan-karazany ireo vola azony ireo. « Araka ny fifanarahany tamin’ireo mpividy moa dia ny volana febroary 2019 lasa teo no tokony ho nanomezany ireo merikiora nampanantenainy, saingy nanomboka teo dia narirarirany izy ireo ary tsy azo amin’ny finday ihany koa izy. » . Teo anatrehan’izany, dia tonga nametraka fitoriana teny anivon’ny pôlisim-pirenena ireo mpividy. Nandray an-tànana ny raharaha avy hatrany ireto farany ka ny sabotsy lasa teo, tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro no voasambotra tao amin’ny trano fonenany tao Andavamamba ity mpisoloky ity. Nandritra ny fisavana ny tranony araka ny fampitam-baovao azo hatrany, dia « mbola nahatrarana fitaovana maro fampiasany hamitahany olona, toy ireo singa lazainy fa fanaovana sorona tao aminy » hoy ny vaovao. Natolotra ny Fampanoavana avy hatrany moa ity farany, taorian’ny famotorana azy ka nampidirina am-ponja vonjimaika.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici