- Publicité -
mercredi, juin 18, 2025
AccueilFaits-DiversMpisoloky ho mpiasan’ny « domaine » : Olona folo no efa nangalany...

Mpisoloky ho mpiasan’ny « domaine » : Olona folo no efa nangalany iray tapitrisa ariary

Efa hary fomba tanteraka mihitsy amin’izao ireo mpanao ratsy. Lehilahy iray 24 taona, manana karatra hosoka mitovy amin’ny tena izy mihitsy, milaza ho mpiasan’ny «Inspecteur de domaine » etsy Anosy no voasambotry ny pôlisy omaly, teny Anosimpatrana. Fantatra fa mpisoloky gaigilahy ity rangahy ity ary efa ho olona am-polony no voany, ka nahazoany vola mahery ny iray tapitrisa ariary teo. Tamin’ny alàlan’ny vela-pandriky ny pôlisy avy ao amin’ny boriborintany voalohany no nahazoana nisambotra azy. Tsotra ny fomba fiadiny raha ny fampitam-baovao hatrany. Milaza ho mahafatafiditra olona hiasa ao amin’ny « domaine » ity rangahy ity. Raha ny fantatry ny maro mantsy, toa ny asam-panjakana rehetra, dia misy ny fifaninana hiditra amin’izany. Ao anatin’ny fomba fiadiny anefa dia milaza izy fa amin’ny alàlan’ny « selection de dossier », na fijerena antontan-taratasy monja dia efa ahafahana mampiditra ilay olona ao amin’io toerana io. Betsaka tokoa araka izany ny olona voajonony amin’ny teti-dratsiny. Ambonin’izay mantsy sy ho tambin’ny fampidirany an’ilay olona ao, dia maka vola amin’ireo olona voasolokiny izy. Mitetina eo amin’ny valo alina ariary ka hatramin’ny iray hetsy ariary no vola takiany amin’izany. Lisitry ny olona efa afaka izay any aminy foana no mody hanampidirany ireo olona solokiany sy lazainy fa afaka, ka dia mino tokoa ny olona. Raha ny fanazavana azo, dia nahatratra teo amin’ny folo teo ireo olona voajonony. Niaiky ny heloka vitany ity rangahy ity. Natolotra ny fitsaràna.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser