Vola efa mananiky ny 120 tapitrisa ariary no efa azon’izy ireo tamim-pitaka, raha ny teto fotsiny, ary fitoriana efa maromaro ihany no nipetraka eny anivon’ny sampan-draharahan’ny pôlisy mahakasika azy ireo. Hatreto aloha dia mpivady, teratany nizerianina iray sy vehivavy malagasy iray no tra-tehaka tao anatin’ny haraton’ny pôlisy, heverina fa manaraka azy ireo tsy ho ela ny ambiny.
Resaka fandefasana entana avy any am-pitandranomasina no voalaza fa tena hanjonoany ireo hazany, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena, ary fifampiresahana amin’ny alalan’ny tambajotra sosialy sy ireo fitaovan-tserasera ampitain-davitra. Efa nanomboka ny taona 2020 no efa nanomboka naharay fitairanana mahakasika izany ny teo anivon’ny pôlisy, ary saika vehivavy avokoa ireo lasibatra, raha ny vaovao azo hatrany. Saika mitovy avokoa ny nahavoazany ireo lasibatra : « mampiasa kaonty facebook amin’ny anarana vazaha malaza sy manankarena ilay mpisoloky. Miresaka sy miezaka mambabo ny fon’ireo vehivavy na koa manome tolotra fiaraha-miasa , fananganana orinasa sns. Rehefa roboka ireo vehivavy dia milaza amin’izay izy fa handefa entana sarobidy toy ny firavaka , telephone lafo vidy, solosaina ….. Ambarany fa rehefa tonga ny entana dia hiantso azy ireo ny mpiasan’ny fadintseranana . Misy miantso tokoa izy ireo andro vitsivitsy aorian’izay manambara ny fahatongavan’ny entana ary mitaky vola ho saran’ny fandefasana entana ». Manomboka eo amin’izay ny filazàna habobo isan-karazany sy fitakiana vola. Roboka tokoa ilay vehivavy satria hoe entana sarobidy avy any an-dafy ka rafitra mandefa vola tsy am-pisalasalàna. Nambaran’ny fanadihadiana hatrany fa matetika dia ao Nosy-Be no toerana voatondro, handefasany ilay entana. « Rehefa voaray ny vola dia milaza indray izy ireo fa nisy vola be niaraka tamin’ilay entana ka tsy afaka alefa ny entana ka mila mifampiraharaha amin’ny mpisan’ny fadin-tseranana ary dia mitaky volabe indray izy ireo mba hahafahana mandamina ny raharaha » .Rehefa mitohitohy amin’izay ilay fangalàna volabe, izay vao tonga saina ilay lasibatra fa fisolokiana no nahazo azy, saingy efa tara loatra. Mazàna, hoy hatrany ny fanadihadiana nataon’ny pôlisy, fa mividy « puce » maromaro izy ireo, entina manao ny asa ratsiny. « Puce » izay mazava ho azy fa misoratra amin’ny anaran’olona sandoka sy adiresy tsy izy ka sarotra ny mamantatra izay tena tompony sy ny misy azy. Soa ihany anefa, mbola misy ireo mahay noho ireto mpisoloky gaigilahy ireto ka nahafahana niakatra sy namantatra ny fisiana mpivady iray, anisan’ireo atidoha tamin’ity fisolokiana ity. Nosamborina avy hatrany ireto farany ary nentina nofotorana. Fantatra tamin’io fa misy naman’izy ireo hafa ihany koa mipetraka any am-pitandranomasina, ary anisan’ny tomponantoka amin’izany. Marihana, hoy hatrany ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisy fa efa tambajotran’olon-dratsy mihitsy ireto olona ireto. Ilay teratany nizerianina dia efa nigadra teto amintsika, ny taona 2020 noho ny resaka trafika sy fanaparitahana rongony mahery vaika, izay heverina fa azony tamin’ireo rantsa-mangaikan’izy ireo any ivelany hatrany.
m.L