- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMpitandro filaminana : « Mila hery am-panahy hoentina miady »

Mpitandro filaminana : « Mila hery am-panahy hoentina miady »

Tsy ny hery ara-batana irery ihany no ilaina entina miaro ny vahoaka sy ny fananany fa ilaina dia ilaina tokoa ny « hery am-panahy », araka ny nambaran’ireo tompon’andraikitra ambony miandraikitra ireo mpitandro filaminana telo lafy nandritra ny fanantantarehana ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana omaly tetsy amin’ny Chapelle Betongolo. « Mifahara ary ka sikino fahamarinana amin’ny fehinkibonareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra » Efesiana 6-14. Izay Teny izay no nentina nifankaherezan’ny rehetra fa indrindra fa ho fangataham-pitahiana ho an’ireo mpitandro filaminana, izay azo lazaina fa eny am-bavan’ady isan’andro. « Nandalo taon-tsarotra tokoa ny firenentsika tamin’iny taona lasa iny ary maro ny ady natrehin’ireo mpitandro ny filaminana, izay tena mihatra aman’aina tokoa, ka mila mametraka ity taona vaovao ity eo ambany fahasoavan’Andriamanitra isika », hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena raha nandray fitenenana. Ilaina ihany koa ny firahalahiana eo anivon’ny samy mpitandro filaminana, raha ny nambara hatrany, ary irariana ny mba hitohizan’izany hatrany hatrany. Tonga nanatrika ity fotoam-bavaka ity moa ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary ary ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici