Niakatra teny amin’ny fitsarana, « chambre de detention », ny fangatahana fahafahana vonjy maika nataona zandary iray midoboka am-ponja vonjy maika eto Toamasina ; raha ny fanazavana azo dia nolavin’ny fitsarana izany fahafahana vonjy maika izany, noho ity zandary ity efa mpamerin-keloka loatra. Raha ny fantatra mantsy dia resaka simenitra sy fanodikodinana izany no nampiditra azy am-ponja vonjy maika izay, satria simenitra efa lany daty no ampiasaina sy fonosina lasaka simenitra ara-dalana nandritra izany, ka amidin’izy ireo avy eo. Ankilan’izay koa raha tafaresaka tamina manamboninahitra zandary ny mpanao gazety, dia ny taona 2014 dia efa nanodikodina lohamenaka tao anaty bidao tao Fenerivo atsinanana izay nosoliny rano ity zandary nahiditra am-ponja ity. Tsy vitan’izay ihany fa mbola nangalatra ny basin’ny namany ko ihany izy, raha niara-nisotrosotro izy ireo dia nasiany fanafody mampatory ny toaka ny namany dia nangalariny ny basiny. Ankoatra izany manahy ny maro fa ahazo ny fahafahana vonjy maika ity zandary ity raha miaka fitsarana ambony ny raharaha fahafahana vonjy maika nataony amin’ny fampiasam-bola ataon’ireo mpanara-dia azy amin’izao araka ny lohanom-baovao. Raha ny fantatra amin’izao dia tsy vitan’olona irery ny fisandohana simenitra nataon’izy ireo, fa tsy maintsy nisy naman aizy ka ; eo am-pokarohana ireo namany ny mpisahana ny fanadiadiana eo anivon’ny sampana heloha bevavan’ny zandary nanao ny fanadiadiana rehetra momba ity raharaha ity.
Malala Didier