Tsy mifampatoky intsony ary mifampiandry. Izay no azo ilazana ny fifandraisan’ireo vondron’ny mpitandro ny filaminana roa, dia ny zandary sy ny pôlisy ankehitriny. Tsy voakasik’izany ny miaramila, satria tsy teo amin’izy ireo no niandohan’ny olana. Niainga tamin’ny fisamborana ireo olon’ ny GSIS tany Moramanga ny rahoraho. Taloha kelin’izay ihany koa dia nisy ny fisamborana ireo mpanao fanatanjahantenan’ny zandary tetsy Mahamasina. Niharatsy ny fifandraisana teo, fifandraisana izay efa tsy dia tsara loatra hatrizay ary porofon’izany ny tsy fahombiazan’ny fiaraha-miasa eo anivon’ireny Emmo ireny. Tetsy andanin’izay koa anefa, dia fantatra fa nihamafy izany rehefa nanomboka hita tsikelikely fa nihamafy ny fepetra noraisin’ny zandary mahakasika ny pôlisy tsy manara-dalàna. Tsy dia nisy dikany loatra kanefa niteraka resa-be teo amin’ny vondrona roa tonta ny fandefasan’ny pôlisy iray avy any Atsimo ondry mba ho fanomezana ho an’ny lehibeny eto Antananarivo. Saingy rehefa tonga tetsy amin’ny RN7, efa akaiky hiditra ny Renivohitra dia tsy navelan’ny zandary mora foana izany, satria tsy nisy taratasy. Dia mbola nisy ihany koa ny fifampikasihan-tànana tany amin’ny toeram-pisotroana iray izay tsy hotononina eto. Izany rehetra izany ankehitriny dia manaporofo fa tsy mitombina intsony ilay fifanarahana niraisana (protocole d’accord) izay milaza fa tsy afaka mifampisambotra ireo vondrona roa ireo. Amin’ny mpanara-baovao tsotra, dia misy mahatsara azy ihany ity fifandraisana mangatsiaka sy mifampiandry ity. Ny antony dia samy mieritreritra in-droa amin’izay ny tsirairay fa misy manara-maso azy, alohan’ny hanaovana ny tsy mety, raha toa mandalo an-tsaina izany. Ny olana mety haterak’izany kosa anefa, dia ny tsy firindrana eo amin’ny asa. Mila fifandrimbonana ny roa tonta amin’ny ady amin’ny asan-jiolahy, satria miainga amin’ny fifampizarana vaovao ny tena fototry ny fidinana an-tsehatra. Mila fandaminana maika…
D.R