- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMpitatitra solika : Nijanona ny famatsiana ny RN2 sy RN5

Mpitatitra solika : Nijanona ny famatsiana ny RN2 sy RN5

Haingana be ny fivoaran’ny fitokonan’ireo mpamily sy mpamily mpanampy izay misahana ny fitaterana solika. Omaly dia nanazava ny filohan’ny fikambanan’izy ireo fa nijanona ny famatsiana ny RN2 sy RN5 aloha. Izany dia mandra-pivaly ny fitakian’izy ireo ny hamohana ireo olona izay nosamborina. Nanao fivoriana teto Toamasina ireo mpitatitra solika amin’ny fiara vaventy, noho ny antsonjay atao amin’izy ireo araka ny filazany, ka nisamborana olona dimy tamin’izy ireo tamin’ity herinandro ity. Mpitandro ny filaminana (Zandary) avy ao Antananarivo no nanao izany teto araka ny fantatra, ka tao amin’ny tobin-tsolitany ao Depot no nanaovana izany fisamborana izany. Araka ny fanazavana dia takian’ireo mpamily fiara vaventy mpitatitra solika ireto, ny fanesorana ireo mpitandro ny filaminana manara-maso azy ary ireo camera amin’ireo fiara fampiasan’izy ireo araka ilay fivoriana nataony. Milaza ny tsy hitatitra solika izy ireo nanomboka io fivoriana nataon’izy ireo io raha tsy tontosa ny fangatahana nataony, satria mpamily telo lahy sy mpanampy azy iray ary solontenan’ny orinasa fakan’izy ireo solika ambongadiny eto Toamasina no nosambiran’ny mpitrandro ny filaminana avy ao Antananarivo io, ary efa misy ny fitondrana azy ireo amin’ny tobin’ny zandary ao andrenivohitra ao. Nambaran’ireo mpamily fa nisy voadarokan’ny mpitandro ny filaminana ny mpamily naman’izy ireo nandritra ny famenoana ny fiara vaventy ny solika tateriny. Mahatsiaro ireto mpamily fiara vaventy ireto fa voahitsakitsaka ny zo aman-kasin’izy ireo ka izao takiany izao ny hanaja izany manomboka izao. Nomarihan’izy ireo hatrany fa efa maro ny naman’izy ireo no tsy afaka miasa sy ao anatin’ny lisitra mainty ny orinasa mpitantitra solika noho asa nataony ara-dalana, ka tsy eken’izy ireo izany. Miantso ny rehetra koa ireto mpamily fiara mpitatitra solika ireto mba hiray hina amin’izy ireo, fa manomboka izao dia ho tapaka ny famatsiana izany solika izany raha tsy misy ny famahana ny olana mitranga.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici