- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversAndohanilakaka : Mpitazona « cash point » maty voatifitra

Andohanilakaka : Mpitazona « cash point » maty voatifitra

Ilay tovolah voatifitra

Maty voatifitr’ireo jiolahy ny tovolahy iray antsoina hoe Donné, mpitazona « cash point » ao Andohanilakaka. Araka ny vaovao avy any an-toerana dia notafihin’ny jiolahy nirongo basy ity toerana ity ny alatsinainy teo tokony ho tamin’ny 7 ora hariva. Voaroba tamin’izany ny vola tao amin’ilay tsenakely. Raha ny fanazavana dia mety ho efa notetehin’ireo olon-dratsy andro maro izao. Anisan’ny toerana be olona mantsy eo amnin’ity “cash point” ity. Tao anatin’ny fotoana maizina nisehoan’ny fanafihana dia tsy nisy nanaraka ireo jiolahy. Any an-toerana rahateo tena mbola manjaka ny jiolahy na misy aza ny zandary tsy lavitra eo. Mitana basy an-karihary. Tamin’ny fotoana nandalovana tany Andohanilakaka ny alahady teo dia tazana eny an-dalalan ary tsy miafina ny vatan-dehilahy miaraka amin’ny kapa sy lamba mitazona basy iray avy, toy ireny amin’ny horonan-tsary mihetsika ireny. Araka ny fanadihadiana natao dia mpikarama miandry omby ireo. Mety manana taratasy fahazaon-dalana mitazona basy, kanefa koa ny sasany amin’ireny ihany no manao asan-jiolahy manafika etsy sy eroa. Na ny mponina aza efa matahotra ireo andian-tovolahy ireo. Ankoatra ireo koa anefa, misy ireo olon-tsotra mitazona basy, izay voalaza fa mpiambina ireo teratany vahiny mpividy vato. « Na ireo koa aza misy manana » , hoy ny fanazavana. Raha ny filazan’ny mpitandro filaminana dia tokony hanana taratasy avokoa izay manana basy, ary misy ny fampahafantarana izany. Raha ny resaka nifanaovana tamin’ny mponina anefa dia misy amin’ireo olona ireo no tsy manana taratasy akory. Antony mahabe ny asan-jiolahy. Mahery setra ihany koa ireo sady sahy mapihirohoro, hany ka atahorana. Misokatra ny fanadihadiana momba ity fanafihana ity.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici