- Publicité -
jeudi, octobre 9, 2025
AccueilFaits-DiversMpitokona nahiana ho mpandroba : Dimy Tsiafahy, 17 arahi-mason’ny fitsaràna

Mpitokona nahiana ho mpandroba : Dimy Tsiafahy, 17 arahi-mason’ny fitsaràna

Omaly no nampiakarina fampanoavana ireo olona 28 izay nosamborina ary voatazona nanomboka ny 26 septembra ny ankamaroany. Nisy mpianatra, nisy mpiasan’ny banky, nisy mpanao trano ary nisy koa ny ahiana ho mpandroba. Ela ny fanapahan-kevitry ny fampanoavana vao nivoaka. Ny tolakandro, fantatra fa naiditra vonjimaika eny Tsiafahy ny dimy, nahazo fahafahana vonjimaika ny enina ary arahi-mason’ny fitsaràna kosa ny 17 ambiny. Fandrobàna ny an’ireo nalefa am-ponja ary famoriam-bahoaka tsy nahazoana alàlana ny ambiny. Ela izy ireo no notazomina am-ponjakely ary efa nisy hatramin’ny 26 septambra aza. Nohalavaina hatrany ny fe-potoana ahafahana mitazona. Ho an’ireo mpikambana mpandala ny fomba Malagasy kosa, miisa roa izy ireo, dia naverina eny amin’ny mpanao fanadihadiana eny Ankadilàlana izy ireo omaly rehefa tonga tetsy Anosy mba hatao fanadihadiana. Izy roa lahy ireo dia naka mpisolovava manokana fa tsy niaraka tamin’ny mpisolovava iraisana izay nanolo-tena maimaimpoana amin’ny fiarovana. Amin’ny 11 novambra no hotsaraina avokoa ireo olona rehetra ireo, ankoatra izay mety ho fanapahan-kevitra momba ireo roa lahy farany izay naverina nohadihadiana. 

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici