Nandriaka indray ny rà tetsy Ampasika ary mbola mpitondra môtô ihany no lasibatra teto. Lehilahy iray, manodidina 26 taona no maty tsy tra-drano rehefa nidona tamin’ny vodina kamiao, nijanona teo amin’ny sisin-dalana ny kodiaran-droa nentiny. Tranga niseho ny harivan’ny alakamisy teo tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany tany ho any, tsy lavitry ny « rond point ».
Asa raha fanimpiriny amin’ireo lozam-pifamoivoizana izay mahavoa hatrany ireo mpitondra kodiaran-droa ity nitranga ity. Ny tsapa tokoa mantsy tato ho ato dia nanao ranolava izany loza mahatsiravina izany, izay mazàna hamoizana ain’olona hatrany. Raha ity nitranga tetsy Ampasika ity, araka ny fampitam-baovaon’ny pôlisy dia dia avy eo amin’ny « rond point »
Ampasika, ho any amin’iny lalana mihazo an’Anosizato ity ity ranamana nitondra môtô ity. « Scooter » marika « Glide 49cc » no nentiny tamin’io fotoana io, izay somary nandrifatra ihany. Amin’izay fotoana izany ihany efa mirotsaka tanteraka ny haizina ka heverina fa tsy tazany na tsy nampoiziny velively ny fisian’ilay fiarabe, najanon’ny mpamily azy teo amoron’arabe tamin’iny lalana iny. Fijanonana izay azo heverina ihany koa fa tsy nisy mari-pamantarana velively. Tsy tana ny loza, ary tena mafy dia mafy ny dona, raha ny angom-baovao. Vokatr’izay, potika tanteraka ilay kodiaran-droa niaraka tamin’ny mpitondra azy, izay tsy avotra intsony. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny mpitandro filaminana nanao ny fanadihadiana sy nitondra ilay mpamilin’ilay kamiao, izay notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana. Ny vatana mangatsiakan’ilay lehilahy kosa nentin’ny BMH ho any amin’ny tranom-patin’ny hôpitaly.
m.L