Efa manomboka maina tokoa ny tany an-kehitriny, ka malalaka ny lalana halehan’ireo jiolahy amin’ny resaka halatra omby sy fanafihana, ary fanakanana olona mamonjy tsena any ambanivohitra lavitra any. Ity asan-dahalo ity dia mampametra-panotaniana mihitsy hoe: atao milamina tsy milamina, satria mbola mahita lalana hizorona hanaovana asa ratsy foana ry zalahy tsy mataho-tody, na dia efa miezaka manao ny ainy tsy ho zavatra aza ny mpitandro ny filaminana amin’izao rivotra iainana izao. Raha ny fampitam-baovao voaray hatrany no tantaraina ho an’ireo mpamaky ny vaovao an-gazety mpiseho isan’andro, dia ny andron’ny alakamisy faha-04 jolay taona 2024 teo, tokony tamin’ny valo ora maraina no tonga tao amin’ny biraon’ny Zandary ao amin’ny » Poste fixe » Ambalanjanakomby, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, ny ben’ny tanàna any an-toerana Razafindrabe Ratoanina, dit Rabe, fa nisy lehilahy iray nitondra satrana tamin’ny sarety, izay havarotra any amin’ny tsenàn’i Bevilany, ao amin’ny kaominina Tsararano, notafihan’olona tsy fantatra tamin’io andro voalaza etsy aloha io. Araka ny tatitry ny ben’ny tanàna hatrany, dia kilaometatra vitsy tsy hidirana ao Bevilany no nisian’ny fanafihana an’ilay olona nitondra tafon-tsatrana tamin’ny sarety, sady tsy nahatsiaro tena iihany koa ity farany, vokatry ny kapoka nahazo azy, ary lasan’ireo malaso nandritra izany ny ombin-tsarety nentiny. Rehefa nahatsiaro tena ny niharam-boina, dia niverina nalaky nampilaza ny vaovao tamin’ireo fokonolona sy ny ben’ny tanàna tao Andranofasika kely, izay mbola any amin’ny kaominina ambanivohitra Ambalajanakomby hatrany. Tsy niandry ela ny vatan-dehilahy, rehefa nahare ny zava-niseho, fa tonga dia niroso tamin’ny fanarahan-dia avy hatrany, ny naratra kosa noezahan’ireo olona sasany noentina, teny CSB II, noho ny ratra maro nahazo azy, saingy tsy misy atahorana kosa ny ainy amin’izao hamoahanay ny lahatsoratra izao. Mitohy hatrany ny fanarahan-dia itambaran’ny Zandary sy ny fokonolona.
Ratantely