Afa-baraka indray ny tontolon’ny fitsarana noho ity hetsika fitokonana nataon’ny mpitatitra sy ireo kaoperativa mampiasa ny lalam-pirenena faha-02, ny alarobia teo, noho ilay resaka mpanarama ireo mpitora-bato tao Brickaville navotsotra noho ny “tsy fahampiana porofo” hiafenan’izy ireo amin’ny fampiasana ny lalàna, nefa iarahan’ny maro mahita fa “kolikoly” no ao ambadika. 100% ny fanarahan’ireo mpitatitra sy ireo kaoperativa mampiasa ny lalam-pirenena faha-02 izany, ny alarobia teo, na niteraka fahasahiranam-bahoaka aza, ireo mpandeha izay nanohana azy ire 100% ihany koa noho izy ireo isan’ny voa mafy sy very fananana ary maratra tsy fidiny amin’ny zava-misy ao Brickaville. Amin’ny maha-raharaham-pirenena azy ity sy amin’ny zava-misy mety hiteraka olana ara-pilaminam-bahoaka, dia namory ireo ekipan’ny OMC maika ny prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrille, ny alarobia teo nandinihana ny famahana ny olana ka niantsoany ireo lehiben’ny polisy, ny zandary, ary ny miaramila, teo ihany koa ireo lehiben’ny sampam-pitsarana nahitana ny tonia mpampanoa lalana isany misahana ny raharaha. Taorian’ny fihaonana izay nisiana fifamaliana teo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana mihitsy, dia niravona ny olana nefa araka ny baiko napetraky ny prefen’i Toamasina dia haverina samborina sy hanaovana fanadihadiana mikasika ny raharaha manenjika azy izy mianadahy voalaza ho mpanarama sy tompo-marika amin’ity resaka tora-bato ao Brickaville izay isany navotsotry ny fitsarana. Koa araka ny angom-baovao marim-pototra natao avy any Brickaville, dia vao nigadona tany izy ireo avy hatrany dia nikaroka azy mianadahy ireto aloha, ka voasambotra tamin’izany na efa niafina aza ilay mpivarokena, ilay ramatoa tena mpanarama ireto mpitora-bato fiara kosa tafatsoaka izay efa mandeha ny fikarohana azy araka ireo angom-baovao nataon’ny zandary ny toerana hiafenany. Ankoatra izay, dia lasa miteraka olana eo amin’ny samy mpitsara izay efa nisy taorian’ilay fifidianana ny solon-tenan’i Toamasina eo anivon’ny filan-kevitra ambonin’ny mpitsara ny zava-misy ankehitriny. Ny angom-baovao marim-pototra aza nahalalana fa nalain’ny minisitry ny fitsarana ny antontan-taratasin’ady mikasika ity raharaha mpitora-bato ao Brickaville nampisy olana goavana ity izao; sy nipoitra koa ity raharaha ity fotoana fohy taorian’ny fampanantsoina nataon’ny “conseil de discipline” ny minisitera ireo mpitsara maromaro teto Toamasina, noho ireo fitarainana sy fitorian’olona azy ireo. Koa ho hita eo ny ho tohin’ity raharaha ity.
Malala Didier