- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-Divers“Mpitsabo namono tena” : Nosamborina tao Toamasina ny Profesora Ralandison Stéphan

“Mpitsabo namono tena” : Nosamborina tao Toamasina ny Profesora Ralandison Stéphan

Tsy mety mifarana ilay raharaha mpitsabo nolazaina fa namono tena teo anivon’ny hopitaly manara-penitra Toamasina farany teo iny, raha voaporofo ity mpitsabo ity fa niabo ny coronavirus. Efa nilaza ny fanjakana, fa hanokatra fanadihadiana momba iny raharaha iny, ny fianakavian’ilay dokotera maty ihany koa tsy nanaiky, fa aminy dia tsy namono tena ny havany, ka vokatr’izay dia nosamborina noho izy tomponandraikitra voalohany amin’ny fitsaboana ireo mararin’ny coronavirus eo anivon’ny hopitaly manara-penitra, ny profesora Ralandison Stéphan; izay sady Sojaben’ny fampianarana fitsaboana eto Toamasina ihany koa. Momba io raharaha mpitsabo maty voalaza fa namono tena io ny fanadihadiana atao aminy raha ny angom-baovao natao, na samy mbola mangina tsy miteny fa mijery ny zava-misy aza ny holafitry ny mpitsabo izay miaro ny zon’ilay mpitsabo maty sy ity mpitsabo anaovana fanadihadiana ity ihany koa. Tonga nanoina ny naman’izy ireo mandalo fanadihadiana ity ireo mpitsabo namany eto Toamasina na teo anivon’ny hopitaly be Analakininina na teo anivon’ny hopitaly manara-penitra Morafeno. Ireo fianakavin’ilay mpitsabo maty ihany koa dia manara-maso akaiky ity raharaha ity ary miandry ny tena marina momba ny nahafaty ny havany, ka nahatonga azy ireo koa tonga maro teo anivon’ny zandary misahana ny raharaha.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici