- Publicité -
mardi, octobre 14, 2025
AccueilFaits-DiversKaominina Antetezambaro Toamasina II : Mpivady matin’ny jiolahy tao anaty fandrobana fivarotana

Kaominina Antetezambaro Toamasina II : Mpivady matin’ny jiolahy tao anaty fandrobana fivarotana

Tratran’ny fanafihana mitam-piadiana natao na andian-jiolahy teo amin’ny folo teo ireo mponina tao Ambonivato Ivoloina kaominin’Antetezambato Toamasina II tokony manodidina ny misasak’alina tany ho any. Tena tsy tahotra tsy henatra ireto jiolahy avy hatrany tonga dia nitifitra raha vao tafiditra tao an-trano voalohany nakan’izy ireo vola rehetra tao an-trano.

Vokatra izany dia maty voatifitry ny basy teo amin’ny lohany ireo mpivady ka maty tsy tra-drano, teo ankilan’ny zanaka izy ireo mbola kely ny nanaovana izany fihetsika izany ary  tsy nokotihan’izy ireo tao anatin’izany ireo zaza tao an-trano nahita ilay habibiana nataon’ireto jiolahy. Lasa avokoa ireo vola tahiry sy ny vola maty rehetra tamin’ny varotra atao nandritra izany. Taoriana izany dia nanafika tranon’olona hafa teo akaiky koa ireto jiolahy, ka novakiany ny varavarava ary tafiditra tao an-trano izy ireo dia ilay ramatoa tompon-trano sy mpivarotra no noratrainy. Noho ny fiarovany ny zanany sao ampiaharan’ireto jiolahy ny habibiany, dia noratain’ireto jiolahy tamin’izany ny lohaliny sy ny lohany, fa ireo ankizy kosa tsy nataon’izy ireo ninoninona. Jiolahy manodidina ny enina no tafiditra tao an-trano, ankoatra ireo nanara-maso teny ivelany sao misy olona manavotra ireto niharan’ny herisetra.

Ankilan’izany dia nisy olona iray hafa koa niharan’ny fandrobana sy vono ary ratra raha nahita ny zava-nitranga ka saika andeha hanavotr. Sady nalain’izy ireo ny vola tao an-trano no mbola niharan’ny vono sy ratra koa ny tenany. Taorian’ity tranga na fanafihana mitam-piadiana ity dia nandray andraikitra avy hatrany ny ben’ny Tanana sy ny mpitandro ny filaminana nizaha ilay tranga, ary avy hatrany dia raikitra ny fanaran-dia natao ireto Jiolahy izay voalaza fa nizotra tamin’ny lalana niakandrefan-tanana iny.

Miandrandra ny fahatrarana ireto andian-jiolahy ireto ny rehetra mba hizakan’izy ireo ny vono olona natao sy ny fandratrana olona nataony niaraka tamin’ny halatra vitany.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici