Ny alahady teo no nalevina izy mivady. Raha ny fantatra dia manana andraikitra eo anivon’ny toeram-pivarotana fitaovam-piadiana iray eto an-drenivohitra ilay raim-pianakaviana. Nisy vola toa anatin’ny fiara ary nisy basy koa. Eo indrindra no mipetraka ny fanontaniana ankehitriny raha lozam-pifamoivoizana tsotra no niseho na koa nofofoina mihitsy ny ain’izy mivady. Raha tsiahivina dia kamiao no nifaoka ilay fiara kely Renault 4 (na 4L) izay potika tsy nisy noraisina intsony. Taorian’izay dia nitsoaka io kamiao io ary nizotra teny amin’ny lalam-pirenena faharoa. Ny barazin’ny mpitandro ny filaminana izay napetraka teo Ambatolaona no nahafahana nisambotra ny olona tao anatin’ilay kamiao. Tsy mbola nisy nipika ny fakàna am-bavany hatreto satria mbola mandeha ny fanadihadiana iny tranga izay niseho ny alakamisy alina iny. Mandeha ny feo fa volabe no tao anaty fiara ary tamin’ny gony izany, toa hoe karaman’ny mpiasa. Ny basy kosa indray dia azo heverina fa an’ny tompon’ny fiara voafaoka izay namoy ny ainy. Mety ho kisary fahatelo azo heverina koa dia ny hoe mba saika hanavotra ireo naratra mafy ihany ireo tao anaty kamiao rehefa nitranga ny loza, saingy vao nahita ny volabe sy basy dia iny aloha no nahamay azy ireo nalaina. Navelany ho faty teo ireo mpivady avy eo. Raha tsy izay no kisary niseho dia azo heverina fa tena efa miakatra lenta hafa mihitsy ny fanafihana eto an-drenivohitra : kamiao entina manafika eny amin’ny làlana. Moa tsy mitovy amin’ireny sarimihetsika « Madmax » tany aloha ireny ! Handrasana miandàlana ny fivoahan’ny tena marina momba ity tranga tetsy Ambohimangakely ity.
D.R