- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversArivonimamo : Mpivady miara-mibizina rongony

Arivonimamo : Mpivady miara-mibizina rongony

Izy mivady mpivarotra rongony.

Ekena fa natao hiaraka hihary ny mpivady fa ny an’ireto tao Miadamanjaka ireto kosa efa nihoatra ny fefy ny zavatra nataony. 

Rongony manodidina ny roa kilao be izao no tratra tao an-tokantranon’izy ireo, rehefa nataon’ireo mpitandro filaminana ny fisavàna izany. Izy ireo moa, raha ny fampitam-baovao dia efa malaza sy fantatry ny rehetra any an-toerana fa ao anatin’ity bizina maloto natao hanimba ny tanora ity.

Ny alarobia lasa teo no nahazo alalana tany amin’ny Fitsaràna hanao ny fisavàna ny trano ny zandary. Talohan’izay mantsy dia efa nisy ny angom-baovao azon’ireto mpitandro filaminana mahakasika ity asa ratsy, foto-piveloman’izy mivady tao Miadamanjaka ireto. Efa nisy ihany koa ny fanaraha-maso ary taorian’izay no nisy nanaovana ny fangatahan-dalana hisavà ny trano. Tokony ho tamin’ny valo ora maraina no nigadona teo an-tokonam-baravaran’izy mivady ny zandary ary natao avy hatrany ny fisavàna. Tsy afa-niala intsony fa dia hita tao ny nafenina. Mahatatra hatrany amin’ny dimy « sachet » ny rongony maina, efa vonon-kamidy tao amin’izy ireo ka ny iray tamin’ireo dia efa vita fonosana tsara anaty taratasy na ilay antsoina  hoe « bomba ». Ireto farany izay mitotaly any amin’ny 41 isa any ho any.

Tsy nisy alaharo alaharo fa dia nosamborina avy hatrany izy roa, ary nentina notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy ireo. Hatreto kosa mbola manohy ny fanadihadiana any an-toerana ireo zandary, entina hikarohina izay loharano nahazoan’izy ireo ity « entana » ity.

Tsy mitsahatra ny mampahatsiahy hatrany moa ny zandary fa sady tsy asa no tsy vadin’asa ny fivarotana rongony. Voararan’ny lalàna tanteraka izany ary mampigadra.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici