- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversMpivady niady : Nosintonin-dramatoa ny filahiam-bady, namoy ny ainy ilay rangahy

Mpivady niady : Nosintonin-dramatoa ny filahiam-bady, namoy ny ainy ilay rangahy

Fiadina matetika ireto mpivady ireto, raha ny fanazavana azo. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa dia ratsy fiafara ny adin’izy ireo. Rehefa niaka-pofona iny mantsy ramatoa dia tany amin’ny filahiam-badiny no nosintominy mafy. Taova saro-pady anefa izy io ka niafara tamin’ny famoizan’ity farany ny ainy izany.

Tany Andapa no nitrangan’ity seho hafakely ity, ny faran’ny herinandro teo. Raha ny fampitam-baovao azo aloha hatreto, dia tsy fantatra mazava izay anton’ny disadisa teo amin’ireto mpivady ireto. Ny tokantranon’izy ireo rahateo, araka ny voalaza etsy ambony dia efa itrangana fifandirana lava ary saika miafara hatramin’ny ady igagan’ny fiarahamonina foana io. Tamin’io fotoana io dia gaga ny rehetra fa nihiakiaka niantso vonjy ilay lehilahy. Tonga avy hatrany ireo naheno. Ilay rangahy efa torana tsy mahatsiaro tena intsony no hitan’izy ireo. Nezahina nentina haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana, saingy tsy nisy azo natao intsony ny aminy. Ny mpitsabo no nilaza fa voasintona mafy dia mafy ny taovam-pananahan-drangahy, antony nitarika ny fahafatesany. Ilay ramatoa namoa-doza kosa, taorian’io dia nitsoaka ary mboka karohina fatratra amin’izao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici