Zava-doza mahatsiravina indray no nitranga tany Fenerive Atsinanana. Ady mivady nifarana tamin’ny vono olona. Tsy fantatra mazava izay zava-niseho fa raha ny fantatra dia mpivady roa no niady noho ny antony tsy mbola voafaritra. Rehefa tsy nahazaka ny fifamaliana ilay rangahy dia niroso tamin’ny famonoana ilay ramatoa vadiny. Voalaza fa notetitetehany tamin’ny antsy ity farany ary nozarainy telo. Natahotra ihany anefa izy hoe hisy hahatsikaritra ny zava-doza vitany ka notateriny tsikelikely izany ary naleviny tamin’ny toerana telo samihafa: ny lohany, ny tratrany ary ny tongony. Ny ampitson’io, gaga sy talanjona ny manodidina fa tsy nipoitra intsony ramatoa vadiny ka nametraka ahiahy tamin’ilay rangahy. Efa ren’ny manodidina rahateo ilay ady nifanaovan’izy mivady nialoha an’io fotoana tsy nahitana azy io. Nisy avy hatrany ny nampiantso mpitandro ny filaminana ka rehefa nirosoana niaraka tamin’ny fokonolona ny fitadiavana an-dravehivavy dia hita ny vatany tapany ambany. Nosamborina araka izany ilay lehilahy vadiny nahavanon-doza. Rehefa nohadihadiana ity farany dia niaiky ny heloka vitany saingy nanambara kosa ny tenany fa ny tendany ihany ny notetehiny tamin’ny antsy. Ny fahitana ny tapany ambanin’ilay ramatoa anefa manamarina fa nozaraina telo ity farany tamin’ny namonoana azy. Taorian’ny famotorana natao azy dia natorony ireo mpitandro ny filaminana niandraikitra ity raharaha ity ihany ny nandevenany ireo vatana ambonin’ilay vadiny niaraka tamin’ny lohany. Efa natolotra ny Fampanoavana tany Toamasina ny raharaha ary efa naiditra am-ponja vonjimaika ihany koa ny tenany.
Niony H.