
Tranga mahatsiravina no hitan’ny fokonolona ny marainan’ny alahady teo, tao amin’ny tokantrano iray tao Antsahavala Ambatondrazaka. Vatana mangatsiakan’ireo lehilahy sy vehivavy, efa tsy nisy aina intsony no nivalampatra tao an-trano. Telo mianaka izy ireo : namoy ny ainy izy mivady, ny zanany vao dimy taona monja sisa. Raha ny fampitam-baovao azo, maty nihinana zavatra nisy poizina izy ireo. Raha ny fanazavana nentin’ireo namana avy any an-toerana dia avy tamin’ity zanany ity, no nahafantarana ny zava-niseho tao amin’io tokantrano io, ary nidinanan’ireo tompon’andraikitra : mpitsabo sy ny mpitandro filaminana avy hatrany teny tany an-toerana. Raha ny fizahana nataon’ireo mpitsabo dia vokatry ny fihinana zavatra nisy poizina no nahafaty ireto ray aman-drenin’ity zaza ity ireto. Voalaza mantsy fa ny sabotsy hariva ireto fianakaviana ireto dia nihinana voan-javatra fantatra any an-toerana amin’ny anarana hoe « kalamokan’alika », izay nataon’izy ireo laoka. Voan-javamaniry toy ny tsaramaso izy ireo ary mena ny lokony. Nambaran’ity ankizikely ity fa « mangidy be » io zavatra io ka tsy nihinana izy ary mety izay no naha avotra azy. Na izany anefa dia nambaran’ireo manodidina tamin’ireo mpitandro filaminana fa efa fanaon’ireto fianakaviana ireto no mihinana io voan-javatra io satria misy mahita foana ilay ramatoa mioty izany. Saingy tamin’ity indray mitoraka ity no nitranga ny loza. « Eo no tsy fantatra, hoy ny tompon’andraikitry ny filaminana, azo antso tany an-toerana, na ity voan-javatra ity nifangaro toaka no nahafaty azy ireo, na nisy fikarakarana tsy nety tamin’ny nandrahoana azy. Na izany na tsy izany dia efa manokatra ny fanadihadiana izahay ». Marihana moa fa nahenoana fofon-toaka ireto olona niharam-boina ireto, raha fanazavana azo hatrany. 39 taona ity lehilahy ity ary 36 taona kosa ramatoa vadiny, izao nindaosin’ny fahafatesana izao.
m.L