
Tsy valahara ! Mpivady sendra tratra alina no nifanehitra tamina mpanendaka telo lahy. Nampiharan’ireo olon-dratsy herisetra sy habibiana izy ireo tamin’izay : rangahy voadaroka, ramatoa voaolana.
Ny tapatapaky ny volana jona lasa teo no nitranga ity herisetra nihatra tamina mpivady teny Namontana ity. Araka ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny pôlisim-pirenena, dia an-dàlana hody teny Namontana izy ireo. Nandeha tongotra. Ny famantaran’ora efa nanondro tamin’ny valo ora sy sasany alina. Ny andro alahady, mangina dia mangina ny làlana. Tamin’izay indrindra no nisy bandy telo lahy nivoaka avy tany anaty elanelan-trano tany, nanomboka nanaraka ireto mpivady ireto. Nanatona avy hatrany izy ireo, nony niditra toerana somary maizina sy takona ary nanakana ny dian’ireo olon-droa. Tsy nisy alaharo teo, fa daroka faran’izay henjana avy hatrany no niantefa teny amin’ilay rangahy, izay tsy afa-nanohitra akory. Tsy nahatsiaro tena ity farany vokatr’izay ary natsipin’ireo tsy valahara tany anaty tatatra. Nobedain’izy ireo kosa ramatoa vadiny, izay raha ny fantatra dia mitondra vohoka roa volana. Nentiny tamina toerana iray tsy lavitra teo, ary nampiharan’izy ireo ny filan-dratsiny. Nifandimby tamin’ity ramatoa ity avokoa izy telo lahy. Efa tany ho any amin’ny roa ora maraina tany vao navotsotr’izy ireo ilay renim-pianakaviana, rehefa afa-po tanteraka tamin’ny nataony ireo olon-dratsy. Nametraka fitarainana avy hatrany teny anivon’ny pôlisin’ny SUT moa ireo mpivady ny ampitson’io ary nanomboka teo ny fanadihadiana sy fikarohana ireo tsy mataho-tody. Raha ny voalaza tamin’izay, dia tadidin’ilay ramatoa avokoa ny endrik’izy telo lahy, noho ireto farany tsy nanao saron-tava tamin’io fotoana io. Fantatra teo araka izany ireto mpanendaka mpanolana ireto ary nidina avy hatrany teny amin’ny trano fonenany, saingy efa tsy nisy tao intsony izy ireo. Ny alahady teo no nahazo vaovao avy tamin’olona tsara sitrapo ny pôlisy fa mampiady akoho eny Anosizato ireo olona karohina. Nanao bemidina teny an-toerana ireo mpitandro filaminana. Saingy ny iray ihany no tratra teo, raha tafaporitsaka ireo rahalahiny roa. Mbola mitohy moa ny fikarohana ireto farany. Miatrika ny fakàna am-bavany azy kosa ilay voasambotra, izay notanana natao andrimaso eny amin’ny biraon’ny pôlisy. Raha tsy misy ny fiovana dia hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela.
m.L