- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAlasora : Mpivaro-kena voavelin’ny « bois rond »

Alasora : Mpivaro-kena voavelin’ny « bois rond »

Avy niasa toy ny isan’andro ary hamonjy fodiana ireo mpivaro-kena no nifanehatra tamin’ny jiolahy. Novelesina tamin’ny hazo ny lohan’izy roa lahy ary natsipy tany anaty rano nony avy eo. Lasa tao anatin’izany ny vola izay maty indray andro izay nitotaly telo tapitrisa ariary. Raha noheverin’ireo jiolahy fa torana na maty ilay natsipy tao anaty rano, kinanjo mbola velona soa aman-tsara ary afaka nanara-maso. Teo no tsikaritry ny iray fa mpiara-monina aminy ihany ireo nanafika. Nipetraka ny fitoriana teo anivon’ny kaomisaria Alasora ary nandeha tsikelikely ny fanadihadiana. Nokarohina ary narahi-maso ireo olon-dratsy. Rehefa nanomboka feno ny porofo ny amin’ny maha-jiolahy an’ireo dia nosamborina tamin’izay. Olona efatra no voasambotry ny polisy ary rehefa nohamarinina ny dosie ara-pitsaràna an’ireo dia fantatra fa efa nifonja indroa tany Tsiafahy ny iray ary efa voahidy teny Antanimora kosa ny roa. Taorian’ny tranga mahakasika ny asan-jiolahy dia nanapa-kevitra ny polisy fa hisy ny fisavàna kara-panondro ho an’ny olona mivezivezy manomboka amin’ny sivy ora alina. Etsy ankilan’izany dia tsy handeferana ireo mpivarotra toaka izay misokatra aorinan’ny lera hahazoana mivarotra, izany hoe manomboka amin’ny sivy ora alina. Mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana ary manomboka mandray ny fepetra izay tandrify azy ny tompon’andraikitra sasany, tsy voatery hiandry ny foibe hatrany tokoa vao mandray fanapahan-kevitra satria efa halohalika ny ranom-bary ankehitriny ary mila midina an-tsehatra avokoa izay mahatsiaro manana andraikitra satria tena efa manangana saina fotsy ny vahoaka.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici