Nitokona teo amin’ny lapan’ny tanàna ireo mpivarotra an-jatony eny amoron-dranomasina, fa hoesorina amin’ny toerana fivarotan’izy ireo. Araka ny voalaza, raha vita ny ampahany voalohany amin’ny asa dia hafindra aloha ireo mpivarotra 121, izay vao mitatra indray ny fanamboara ny moron-dranomasina. Izao anefa ireo mpivarotra tokony hafindra tsy tafafindra, izao indray efa mandeha ny resaka fa halana eo amin’ny toeram-pivarotany indray ireo mpivarotra mihoatra ny 250 eny amoron-dranomasina, ka ny alatsinainy izao no farany hijanonan’izy ireo eny raha tokony ny zoma teo izany fe-potoana izany. Lasa olona be ity raha ity amin’izao eto Toamasina ka mety hiafara amin’ny fitokanan’ireo mpivarotra noho ny vanim-potoana fialantsasatra sy fampidirana mpianatra. Mety hiafara amin’ny fitondrana sora-baventy ny raharaha hatramin’ny alatsinainy tokony hialan’ireo mpivarotra eny amoron-dranomasina. Ankoatra izany nefa dia nanolotra toerana ho azy ireo ny kaominina, izany nambaran’ireto mpivarotra fa sady be rano no mbola tanin’olona ihany koa. Ho hita eo ny tohin’izao raharaha izao…
Malala Didier