- Publicité -
vendredi, décembre 19, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Mpivarotra hita faty nisy diam-pamaky

Ambohidratrimo : Mpivarotra hita faty nisy diam-pamaky

Vao maraina dia efa olona tsy nisy aina ary nihosin-drà no hitan’ny olona teo amin’ny fokontany antsoina hoe Ambohitsoa, ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Teo amin’ny lohany no nisy ratra lalina ary mazava ho azy fa nitarika ny fahafatesany. Rehefa nandeha ny resaka teo an-toerana dia nisy ny nahafantatra azy avy hatrany noho izy mpivarotra ao an-toerana ihany. Tonga teny  an-toerana ny tompon’andraikitry ny filaminana sy ny mpijirika faty nanao ny  fanamarinana rehetra nilaina ary koa nanokatra fanadihadiana avy hatrany amin’ity raharaha heloka bevava ity. Maromaro izay faty hita izay nanomboka tamin’ity volana faran’ny taona ity izay. Vao tamin’ity herinandro ity koa no nahitàna razana nafenina tao anaty lalan-drano, tetsy Fenoarivo Ampitatafika. Novonoina ve dia natsipy tao sa kosa mety ho nisy aretina nitaiza izay nihetsika tampoka ary taraiky tao izy, na koa mety ho hamamoana? Mihodina eo ny fanontanian’ny maro fa ny fanadihadiana mandeha no mety hamaritra ny valiny. Nisy nilaza fa mponina avy eny Anosibe ity lehilahy hita faty ity. Ankoatra izay dia mbola nahitàna fatin-jazalahy, mpianatra, koa teny amin’ny manodidina ny Bypass, mbola tamin’ity herinandro ity koa. Nisy dian-drà koa ny vatany ary na novonoina na nisy nandona tamin’ny fiara dia natsipy fotsiny teo an-tanimbary. Io no eritreritry ny olona raha mahakasika ity tranga ity. Ny alakamisy teo ko dia nisy lehilahy nihosin-drà teo Ambohimangakely. Hitan’ny olona fa mbola nisy aina kely izy ary nentina haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana saingy tsy tàna intsony. Naterina tao amin’ny tranom-patin’ny Hjra ary mbola tsy nandalo ny havany naka azy hatramin’ny omaly antoandro. Ireo tranga rehetra ireo dia azo heverina ho ny alina no nisiany matoa tsy nisy vavolombelona nahita. Midika izany ny tokony hitandreman’ny olona mivezivezy amin’ny alina.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici