« Lalan-kitan-kisoa » ny an-dry zalahy ireto saingy tsy nety intsony ! Olona maromaro voasambotra noho ny resaka famarotana omby halatra avy any Anosibeanala, amidy aty an-drenivohitra no saron’ireo zandary tany amin’iny faritra iny. Tamin’ny famotorana azy ireo dia niaiky tsara izy ireo fa omby halatra saika hamidiny. Ary tao anatin’izany dia nanatonta vola dimy hetsy ariary izy ireo, saika homena ireo zandary mpanao famotorana ho tambin’ny famotsorana azy ireo sy mba ho fandravonana ny raharaha. Soa ihany fa tsy jamban’ny vola ireto mpitandro filaminana …
Ny sabotsy lasa teo dia roa lahy saika handeha hivarotra omby halatra no tra-tehaky ny zandary tao Antandrokomby Anosibeanala. « Efa fomba ratsin’ireto olona ireto mihitsy izany, hoy ny fampitam-baovao azo. Satria dia isan-kerinandro dia omby halatra am-polony maro avy any amin’ny kaominina Antandrokomby sy Ambalanomby, samy ao amin’ny distrikan’Anosibeanala, no entin’izy ireo hamidy any Andramasina (Analamanga) na Antanifotsy (Vakinankaratra), izay tsy mandalo ireo sampan-draharaha manaramaso ny taratasin’omby ». Tamin’ny fahatratrarana ireto roa lahy ireto dia efa niezaka ny « hifampiraharaha » tamin’ireo nahatratra azy ireo saingy tsy niraharaha izany ireo zandary fa mbola nanohy ny famotorana hatrany. Afak’omaly dia mbola nisy olon-kafa voasambotra naman’izy ireto ihany. Mbola nanao ny fanaony izy ireo, ka teo no nanambazany ireo mpanao famotorana io vola voalaza etsy ambony io. Efa zava-panao tokoa angamba e … Voalaza fa nandray ny andraikiny teo anatrehan’izany kolikoly izany ny manamboninahitra iray ary nampiantso avy hatrany ireo tompon’andraiki-panjakana tany an-toerana ho vavolombelon’ny zava-nisy. Notanana avy hatrany ry zalahy ireto ka ambonin’ny famarotana halatra, izay voalazan’ny lalana fa mitovy heloka amin’ny mpangalatra ihany, izay hanenjehana azy ireo, dia mbola niampy izao fikasàna hanao kolikoly izao ihany koa ny vesatra hanenjehana azy ireo.
m.L