« Tsy nisy safidy hafa ankoatry ny niverina aty an-drenivohitra mba hitsaboana ny vatana naratra », raha araka ny fanazavan’ny raim-pianakaviana iray isan’ny naratra tamin’ny lozam-pifamoivoizana izay nitranga teo akaikin’i Maevantanàna. Nahakasika ny mpizaikan’ny finoana Anglikana izay hihazo an’Antsiranana izy ity raha hiverenana kely. Nivadika ny fiara iray tao anatin’ny « caravane » noho ny kodiarana iray izay niala tamin’ny toerany. « Soa ihany fa tsy nisy hatsana fa raha tsy izany dia Anjozorobe 2 angamba no nitranga » raha ny fitantarany hatrany. Ny tenany sy ny Révérend iray no tena voa mafy tao anatin’ireo mpizaika niisa 25 tao anatin’ny fiara mpanao taxi-be eto an-drenivohitra no nofaina hitatitra any Diégo. Miisa 25 ireo no nitandahatra niala teto an-drenivohitra sy ny manodidina ary fiaran’ny kaoperativa iray avokoa no notaingenana. Tapaka hatoka ny iray tamin’ireo naratra ary tapa-tànana sy tratra kosa ny faharoa. Ny amin’ny antony tsy maintsy nampiakarina azy ireo aty Tanà dia noho ny tsy fahafahana hitsabo azy ireo mihitsy tao Maevantanàna. » Tsy nisy na jiro na rano ny toeram-pitsaboana izay nalehanay, torak’izany koa ny fitaovana. Na ny mpitsabo aza dia nitsotra fa tsy misy na inona na inona azo atao » raha ny filazan’ny naratra izay tonga teto Tanà omaly ary notsaboina avy hatrany. Efa tsy tenenina intsony ny fiverenan’ny loza eny amin’ny lalam-pirenena noho ny olana ara-teknikan’ny fiara fitaterana. Fa ny tena mahalasa ny saina dia raha toa izany ka maratra amin’ny tanàna sasany izay toa mba mandroso sy malaza ihany, dia tsy misy na inona na inona azo hatao ao amin’ny toeram-pitsaboana. Dia azo heverina koa izany fa isan’ny mampitombo ny maty amin’ny lozam-pifamoivoizana ny toa izany…
D.R
Mpizaikan’ny Anglikana : Nalefa eto Tanà ireo naratra
Articles qui pourraient vous intéresser