
Manankarena kolontsaina ny faritra Vakinankaratra ary manana ny mampiavaka azy eto amin’ny Nosy. Efa maro ireo hetsika ara zava-kanto na kolontsaina toy ireny festival ireny nisesisy teto Antsirabe ireny ary mahasarika olona maro eny fa ny any ivelany aza dia liana amin’izy ireny raha tsy hiresaka afa tsy ny festival Mamahoaka sy ny foira isan-karazany. Isan’ny vain-dohandraharahan’ny talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina vaovao izay vao napetraka tamin’ny toerany, Rtoa Bakoharimanana Nirina ny hijery manokana ny sehatry ny kolontsaina eto Vakinankaratra. Nambarany nandritra ny famindrm-pitantanana teo aminy sy ny tale teo aloha izay voatendry ho tale jeneraly hitantana ny OFNAC fa misokatra ho an’ny rehetra ny varavarana hisian’ny fiaraha miasa indridra eo amin’ny lafiny ara kolontsaina izay. Ezahina hoy izy ny hamelo maso ireo kolontsaina nisy sy hampisongadina izany indray, hanome lanja ny mpanakanto tsy eto andrenivohitry ny faritra ihany fa manerana ireo distrika fito mandrafitra ny faritra Vakinankaratra no hanatanterahina izany. Manana ny tranoben’ny serasera kolontsaina rahateo ny faritra ka fotoanany izao hampiasana ity fotodrafitrasa ity mba hanomezana sehatra azy ireny hampivelatra ny kanto eto Vakinankatra. Eo amin’ny sehatry ny asa fanaovan-gazety kosa dia tsy vahiny amin’ity as any tale vaovao satria mpanao gazety amperinasa izy no izao voatendry hitantana ny fitaleavam-paritra izao. Tonga nanatrika ny famindram-pitantanana teo Antsirabe ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Volamiranty Mara Donna ny herinandro lasa teo. Nohamafisiny tamin’ny lahateniny fa vato fototry ny fampandrosoana ny kolontsaina ary fantsona mampita ny soatovina sy ny fihavanana ka rariny raha homena lanja bebekokoa.
Andry N.