samedi, avril 19, 2025
AccueilFaits-DiversMvola diso làlana : Nidoboka am-ponja ny mpitantana « Cashpoint »

Mvola diso làlana : Nidoboka am-ponja ny mpitantana « Cashpoint »

Toy izao ny hosoka tratra.

Diso làlana tanteraka ilay volabe rehefa nifandiso koa ny laharana nandefasana izany. Teo amin’ny cashpoint iray tany Sambava no nitranga ity olana ity. Nantsoina ny olona nandefasana ny vola izay mitentina dimy tapitrisa ariary saingy nilaza ho tsy naharay izany. Vokany dia tonga teny anivon’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha rehefa nitory ny tompom-bola. Mazava hoazy fa ny mpitantana ilay cashpoint no nizaka ny fahavoazana. Niezaka natao ihany ny raharaham-pihavanana saingy tsy nisy afa-tsy 400.000 ariary ny vola azon’ilay rangahy miasa amin’ny cashpoint naloa. Niakatra fampanoavana ny raharaha ary nidoboka am-ponja io farany mandram-piandry ny fitsaràna izay voatondro ho ny 16 mey hoavy izao. Ankehitriny dia mitaraina ny vady aman-janak’io olona io noho ny fahasahiranana mianjady aminy izay mbola kely anaka. Sarotra ny raharaha satria tsy misy afa-tsy ny famerenam-bola no takian’ny mpitory. Betsaka ny tranga toa izao amin’ny fikirakiràna ny « mobilebanking » kanefa rehefa diso dia manolo ary akipy ny maso. Ity kosa nihoam-papana ny fahavoazana ary dia niafara hatramin’ny fidirana am-ponja. Mba tokony hisy fomba hahafahana manafoana haingana ny vola diso làlana ihany satria fitaovana kely no kirakiraina ary matetika ao anatin’ny hamehana. Raha ny fantatra dia misy ihany ny tarehimarika atsofoka (code) saingy rehefa tsy eken’ny nandray vola izany dia tsy misy dikany. Mila mba jeren’ny orinasam-fifandraisan-davitra akaiky ny fanavaozana araky ny zavatra mety hisy satria olombelona mety ho diso no mikirakira.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici