- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversNahiahina nanao fanandevozana sy von’olona ; Afaka madidio ilay pastera efatra mianaka

Nahiahina nanao fanandevozana sy von’olona ; Afaka madidio ilay pastera efatra mianaka

Niakatra teo amin’ny fitsarana ady heloka bevava ny fitsarana ambony andiany faharoa 2023, ny antontan-taratasy laharana 119-Toa/22-1333-RP/22. Mandrafitra ny raharaha naha-voaroiroy pastera amina antokom-pinoana iray, tao amin’ny zana-tanana Ambodiapaly fokontany Anjahamarina kaominina Ampasimbe Onibe. Nitranga ny 21 aprily 2022 ny raharaha, ka loham-piampangana roa no anenjena an’ity pastora ity, dia ny fanadevozana tovoloahy iray sy famonoana azy. Nahiditra fonja vonjy maika tao Ambalatavoahangy tamin’izany ilay pastera sy ny vady aman-janany ny 03 may 2022 taoriana ny fiakarany fampanoavana. Naharitra adin’ny roa  izao ny fifandaharana teo amin’ny voapanga sy ny mpisolovava ary ireo mpitsara nandritra izany. Nandà ny fiampangana azy izy efatra mianaka ary nohamafisin’ny pastera 52 taona nandritra izany, satria narary saina notsaboiny tao aminy ity tovolahy antsoina hoe Vonjy, araka ny fifanarahana tamin’ny ry aman-dreniny. « Toy ny zanako naterako no fitondrako azy tao an-trano », hoy ingahy pastera sy ny vadiny ; ary nambaran’ny zanany ko aizy ireo no mpanasa ny lamba maloton’ingahy Vonjy. Raha ny fiampangana faharoa tamin’ilay resaka famonoana olona, dia nambara fa atin-kisoa narian’olona no nolazaina fa atin’olona. Vokatra izany dia nametraka ny ahiahy momba ny fiampangana ny fampanoavana ambony, satria tomba-maso no natao fa tsy nisy ny fitiliana natao tamin’ilay atin-javatra hita. Tsy nipoitra nandritra ny fotoam-pitsarana ady heloka bevava ny mpitory, ary nambaran’ny mpisolovava ny voapanga koa fa efa miriaria ao mahavelona Foulpointe Vonjy ilay nambara fa maty io. Taorian’ny izany raha nivoaka ny didim-pitsarana dia afaka madiodio ireto pastera efatra mianaka. Raha hiverenana ny raharaha dia niantso ny fianakavin’ingahy Vonjy rangahy 44 taona ilay pastera raha tsy hita ingahy Vonjy ny 21 aprily 2022. Raha ny voalaza koa dia ny 24 aprily 2022 raha niverina tao tampoka tao amin’ity pasitera saika hanao fitsaram-bahoaka ny fianakavian’i Vonjy. Nahare koa tamin’ny fokonolona tao an-tanana ny fianakavian’i Vonjy fa ataon-dry pastitera andevo tao aminy ingahy Vonjy, ka lasa nanampy ny fianakvain’ny Vonjy ny fokonolona. Nefa nolavin’ny fianakavian’ingahy pasitera avokoa ny fiapangana azy rehetra.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici