Ny lozam-pifamoivoizana voalohany tetsy Ilafy ary ny faharoa tetsy Ampitatafika. Samy amin’ny làlana malalaka no niseho izany ny faran’ny herinandro teo. Tetsy Ilafy dia moto roa, samy scooter no nifandona. Ny iray olona iray no nentiny ary ny faharoa nanao taingin-droa. Samy naratra avokoa ireo olona telo ary ny iray namoy ny ainy rehefa tonga teny amin’ny toeram-pitsaboana. Ny olona faharoa mbola miady amin’ny fahafatesana raha mba ratra madinidinika kosa ny nanjo ny fahatelo farany. Ho an’ny loza faharoa indray izay tetsy Ampitatafika dia omby no nifandona tamin’ny scooter. Torana tsy nahatsiaro tena avy hatrany ilay mpandeha moto ary nifamonjena teny amin’ny hopitaly. Mety ho nipoitra tampoka ilay omby ary dia tsy voatàna intsony ny hisatra ka nifatratra tao. Mpivarotra ao Anosibe no naratra mafy ary mbola tsaboina hatramin’ny omaly, satria voa mafy teo amin’ny lohany. Eo ihany ny mety ho fisetrasetràna izay mitera-doza, fa amin’ny lafiny iray koa dia ny mpandeha moto no tena miady aman’aina voalohany noho ny haratsian’ny fotodrafitrasa eto an-drenivohitra.
D.R