- Publicité SW45 -
vendredi, juillet 5, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnjeva : Nahafaty ramatoa, nidoboka eny Tsiafahy

Anjeva : Nahafaty ramatoa, nidoboka eny Tsiafahy

Herinandro taty aoriana, voasambotra ary nidoboka eny amin’ny fonjan’ny Tsiafahy ny lehilahy iray izay voarohirohy ho nahavita heloka bevava tao Anjeva-Gara. Raha hiverenana fohy dia nisy niditra tao an-tranon’ny ramatoa iray efa lehibe, 56 taona. Notsatohana tamin’ny antsy ny vatany ary nitarika ny fahafatesany. Dian’antsy enina no voamariky ny mpanao famotorana ary teo amin’ny lamosiny sy ny tendany no tena nahafaty azy. Raha araka ny fanazavan’ny zandary dia nisy vavolombelona nahita ny nivoahan’io lehilahy io ny trano. Tamin’ny andro antoandro be no nitranga ny famonoana ary mba nisy nahatsikaritra ihany fivezivezin’ny olona. Mbola nisy rà teo amin’ny handrin’ilay lehilahy ary io no nanintona ny sain’ny olona. Rehefa nandeha ny fanadihadiana ka voasambotra ilay ahiana ho tompon’antoka dia nampijerena ny vavolombelona. Ary dia tena izy tokoa, raha araka ny fanazavana. Lasa avokoa ny vola tao amin’io tokantrano izay nipetrahan’ny ramatoa tokana io. Izany hoe fandrobàna miampy vonoan’olona izany farafahakeliny no vesatra ara-pitsaràna izay anenjehana ilay lehilahy voarohirohy ho mpamono olona. Ny fandrobàna iny eo ihany, fa ny manitikitika ny saina dia ny hoe tsy maintsy novonoina ve ilay olona izay notafihana ny tranony? Sa kosa olom-pantatra ihany izy dia tsy maintsy niditra tamin’ny famonoana?

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici