- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversNahafaty vady : Tsy nanome ny antony hatramin’ny farany

Nahafaty vady : Tsy nanome ny antony hatramin’ny farany

“Tsy nety nilaza izay antony ilay lehilahy” raha araka ny fanazavan’ny fianakavian’ny maty. Nanaiky izy ny namono nahafaty ny vadiny 28 taona izay vao natao mariazy taminy tamin’ny taon-dasa, saingy kosa tsy nomeny izay antony. Na izany aza anefa dia efa mandeha ny resaka fa misy “mama sôsy” ao ambadik’ilay famonoana. Io farany no mitady izay hanakorontana ny tokantranon’izy roa ary tonga hatramin’ny fanirahana ilay loham-pianakaviana mihitsy hamono am-badiny, raha ny fihevitry ny havan’ny maty. Mety hitatra amin’izany petra-kevitra izany ny fanadihadiana ary notozomina vonjimaika eny amin’ny fonjan’ny Tsiafahy aloha ilay lehilahy nahavanon-doza hatramin’ny talata teo. Narahin’ny olona maso akaiky ity raharaha ity satria nampalahelo loatra ny nanjo ilay ramatoa izay tsy manan-tsiny sy niezaka nitia ny vadiny hatrany tamin’ny fiainan-tokantranony. Efa indroa nopoizinin’io rangahy io izy fa mba avotra hatrany. Tsy nanakana azy ny mbola nitazona ny tokantranony anefa izany ary niafara tamin’ny famonoam-badiny azy. Mody nentiny kely niala ny renivohitra mba haka rivotra kinanjo novonoiny tamin’ny vely maritoa teo amin’ny lohany rehefa nahazo nangingina tamin’ny akaiky ny lalam-pirenena fahafito.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici