
Ny “fondation Axian” no tompomarika tamin’ny fananganana ny fotodrafitrasa kianja filalaovana hand ball sy fananganana trano iraly lehibe mifanaraka amin’ity taranja ity ho an’ny lisea André Resampa Antsirabe. Mpiara miombon’antoka kosa ny fikambanana Grandir à Antsirabe izay nanatanteraka ny asa.
Nianga tamin’ny fangatahana nataon’Atoa Kassam proviseran’ny lisea ny fanombohana ity fiaraha miasa ity ka nahazoana izao fotodrafitrasa izao. Kianja efa nisy teo aloha izay efa simba tsy afaka nampiasana antaonany maro no navaozina , manaraka ny fenitra ilaina raha toa ka vao natsangana kosa ny trano iray lehibe ahitana efitra efatra izay mitsinjara ho efitrano fivoriana , birao fandraisana, miampy efitrano fihomanana sy fidiovana.
Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny “vice-président déléguée du sport conseil départemental de la Seine Saint Denis-France » Rtoa Zainaba Said Anzum sy ny « présidente fédération Française du Grandir à » Rtoa Sapho Naal.
Andry N.