- Publicité SW45 -
jeudi, mars 13, 2025
AccueilPolitiqueTRANO MORA ANTSIRABE :  Nahena ho telo na dimy taona ny fanefana...

TRANO MORA ANTSIRABE :  Nahena ho telo na dimy taona ny fanefana azy, nandà izany ny mpisitraka

Mandà ny tolotra vaovao ireo mpisitraka ny trano mora

Tany amboalohany dia napetraka ho 150 000 ar na 200 000 ar isam-bolana no hefaina mandritra ny 15 hatramin’ny 20 taona eo amin’ny fandoavana ny trano mora izay mitentina 40 000 000 ariary. Ankehitriny anefa dia voalaza fa hatao 3 na 5 taona ny fanefana azy na hatao tolo-botsitra. Nandà izany ankitsirano ireo mpisitraka, tsy izany hoy izy ireo no fifanarahana napetraka tany amboalohany ary ny filoham-pirenena mihintsy no nametraka izany. Angatahan’izy ireo ny hifanarahana mivantana amin’ny rafitra ANALOGH fa tsy amin’ny banky.Nandritry ny fivoriana nataon’ny sekretera Jeneralin’ny SENVH niaraka tamin’ireo mpisitraka sy ny tompon’andraikitra avy amin’ny ANALOGH no nivoahan’ity fihovana izay nandiso fanantenana ny maro ity. Raha tsiahivina dia ny 28 Jolay 2023 no natao ny antsapaka ka 78 no hisitraka ny trano. Trano 80 isa no natsangana, hatao biraon’ny SENVH ny roa, ankaotra ny 78 tsara vintana dia misy ihany koa ny lisitra fiandry miisa 20 isa.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici